Sabotsy 8 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Ny olona nitoetra tao amin’ny maizina, dia nahita fahazavana lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 22-30
Tsy mampipetrapetraka ny asa fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra, hany ka nankany amin’ny tany Jodea i Jesoa sy ny mpianany, ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany, sady nanao batemy ny olona. Koa raha mipetrapetraka fotsiny izay mpandraharahan’i Kristy dia ho voa mafy izy fa tsy fenitra takiana aminy izany. Amin’izay tsy ny hoe fitadiavana mahazaka maniraka fa ny Batemy noraisina mihitsy no maniraka, ka aseho amin’ny asa niantsorohana sy nankinina tamin’ny tena. Satria tsy asa fitadiavana io fa asa iantsorohana sy isahanana ny fanjakan’Andriamanitra. Fototra iaingana mantsy Izy Andriamanitra tonga miara-monina ety amintsika sy nizara fahasoavana. Koa ao amin’ny Eglizy, izay sehatra iasana, tsy natao hiolonolona na hiandry mahazo toy ny fasana intsony, fa irahin’ny Papa nifandimby hivoaka, hanatona ny olona, toy ny nataon’i Jesoa. Vao mainka hita miharihary izany amin’izao sinaody atrehina izao. Olana kely manakantsakana izany ny fisian’izao valan’aretina mamely ny eran-tany izao, ivavahana mafy mba ho fongotra tanteraka.
Manaraka izany, samy manana ny andraikitra manandrify azy ny tsirairay ka tsy tokony hifanitsaka, tsy hifampialona ny amin’izany, tsy hifanebaka. Diniho anie ny fifandirana nahazo ity mpianatr’i Joany mpanao Batemy tamin’ity Jody iray, voalaza ato amin’ny Evanjely ity, mahakasika "ny amin’ny fanadiovana". Avy eo be takalaza. Asa na noho ny fialonana na inona. Nanantena hahita ranondranony kanefa nahazo valin-kafatra mazava. Misy koa ny manao toy izany amintsika. Tsy adin’ankizy akory izy ity ka isaky ny mihetsika kely dia hoe : "Alazako amin’ny Dadanay na i Neninay". Ny olona toy izany no toy ny sotro be lava tango ka mahay atsy sy aroa, na koa toy ny kary ka mahay misafelika etsy sy eroa. Tandremo fa loza izany.
Mazava eto ny valin-tenin’i Joany momba ny fahefana eto ka aborany mazava tsara hoe : "Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany" ka io mbola iainan’ny Eglizy io mandraka ankehitriny. Ny fahefana ao amin’ny Eglizy tokoa mantsy tsy toy ny eo amin’izao tontolo izao ka irifana mafy izay hahazoana azy na ny itazonana izany maharitra eo, tsy rombahina na iadiana fo ihany koa fa atolotra sy omena na fidiana amin’izany na tendrena ka ankatoavina hatrany. Avy amin’Andriamanitra io ka Izy ihany no mahalala tsara izay itantanany ny Egliziny. Koa raha tsy manana fanetren-tena toa an’i Joany isika tsy hahazo sy hiaina izany. Hoy izy : "Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena". Koa aza ny fanararaotam-pahefana na koa ny fanodikodinam-bola no mahamaika fa ny finiavana hanatanteraka mandrakariva ny asa nankinina na noraisina ato amin’ny sahan’ny Eglizy. Tsy namita-bahoaka na namahan-dalitra azy ireny akory i Joany ka niaiky fa tsy i Kristy izy fa mpialoha lalana fotsiny : "Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy". Mitovy amin’i Joany koa isika eo amin’ny sehatra iasantsika, toy ny voalaza tany aloha ka aoka hijoro mandrakariva ho tena mpitondra ny olona mankeo amin’i Jesoa ; fa tsy sanatria hitarika ny olona ho eo amintsika fotsiny ihany. Aza misy anie izany. Amen.