Zoma 7 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 12-16

Zoma voalohany ny andro, zoma voalohany amin’ity taona vaovao ity : tsy mitsahatra mivoha midanadana ho antsika ny varavaran’ny famindrampon’Andriamanitra ka mahaiza manararaotra miantoraka amin’izany, aoka hanovo amin’izany loharano tsy mety ritran’ny famindrampon’Andriamanitra izany isika rehetra ka tsy hisy ho diso anjara. Mahalala sy mahita ny manjo antsika Izy satria eto an-tanàna, mbola ao anatin’ny fankalazana ny fahatongavany ho nofo izao ka miara-dalana amintsika Izy fa mila antsika mitondra izany ho eo aminy. Toy ny eto amin’ny voalazan’ity Evanjely ity hoe : "Nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita Azy, niankohoka nitaraina taminy". Koa isika na tsy boka ara-batana aza tena bokan’ny fahotana sy ny halemena isan-karazany, tena ferena aza ho an’ny sasany satria ela tsy mikonfesy na tsy mety mikonfesy mihitsy satria mihevitra fa olona samy olona ve dia hinkofesena sy hamela fahotana ? Na koa ireny tsy mikonfesy raha tsy mialohan’ny Noely na Paka ireny. Tsy toe-tsaina kristianina katolika izany ka mila ialàna avy hatrany ; raha tsy hoe te hitoetra amin’ny habokana eo ! Tsy kilalaon’ankizy izy ity ka boka izay mitady ny rehetra ary mifindra iny rehefa mahazo namana fa fiainam-panahy ka takiana ny hialana avy hatrany, tsy hiandrasana ny hafa.

Tsara ho marihina anefa fa tamin’izany fotoana izany tsy azon’ny boka atao ny manatona ny olona madio raha tsy izany lasa maloto koa ilay olona. Tsy nahasakana ity lehilahy rakotry ny habokana ity anefa izany ka niankohoka sy nitaraina tamin’i Jesoa izy. Tsy nampaninona azy ny sakantsakana teo anoloany hanatonany an’Andriamanitra. Naborany taminy izay mavesatra tao am-pony sy manahirana azy : "Tompoko, raha mety Ianao, mahay manadio ahy". Neken’i Jesoa ny fangatahany ka naninjitra ny tanany Izy, nanendry azy, sy nanao hoe : "Mety Aho, madiova ianao", ka afaka niaraka tamin’izay ny habokany. Manaiky hanadio antsika tokoa Andriamanitra, miray volo amintsika afa-tsy ny fahotana. Nihoarany ny lalàna fa famonjena no nahamaika Azy. Hatramin’izao manohy amintsika ny toy izany Andriamanitra. Ankehitriny àry aoka tsy hisy sakana, toy ny corona, ny fanatonantsika Azy satria ireny mampanalavitra antsika Azy ; fa vao mainka aza ireny entintsika eo anatrehany ka hampanakaiky antsika Azy. Tsy mety koa ny mamorona hantsana na manangana tendrombohitra ho sakana tsy ifanatonana an’Andriamanitra, na koa toy ny fitohanan’ny fiara aty andrenivohitra ka maha sorena ny mpamily sy ny entina, manatara fotoana aleha ; fa aoka hisosa toy ny amin’ny andro tsy fiasana na amin’ny lalam-be mikodana ny fifandraisantsika aminy fa tsy misy sakantsakana mantsy ka vetivety dia ho tonga. Amin’izay ho afaka ny habokam-pahotana mpahazo antsika, no tsy hisy elanelana amintsika sy Izy Andriamanitra. Fahasambarana tonga lafatra raha toa izany. Tsarovy mandrakariva fa manala antsika amin’ireo karazana habokana Andriamanitra fa mila antsika manatona Azy mialoha isika.

Ankoatra izany, arakaraka ny handrarana antsika amin’ireny zavatra ireny no vao mainka anaovantsika azy. Izay ny halementsika olombelona. Mila mihoatran’izany anefa isika ka taomin’i Jesoa hanara-dalàna aloha ka hoy Izy hoe : mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona. Ny lalàna aza moa tsy vita mainka zavatra hafa ! Kanefa samy tsy maintsy arahina avokoa izany rehetra izany, ka mahereza àry. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...