Alakamisy 6 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 14-22a

Nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray i Jesoa. Toy izany koa isika eo amin’ny fiainana: tsara raha manaiky ho entin’ny Fanahy amin’izay atao rehetra mba tsy hanaonao foana. Ny an’i Jesoa koa eto toa niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany ka aoka ny antsika ihany koa fa tsy izay hadalantsika na ny toa fahalemena no miely. Misy amintsika mantsy ny maika hanely izany fahalemena izany, matetika mantsy ny lafy ratsy io mora miparitaka haingana kokoa ; fa ny tsara raha tsy efa misongadina be tsy miparitaka loatra.

Nampianatra tao amin’ny sinagoga Izy : ohatra ho antsika amin’ny fandraisana andraikitra ao am-piangonana izany ka tsy hoe amin’ny famakian-teny sy ranombavaka ihany fa hatramin’ny famafana fiangonana aza dia tena mila antsika tokoa fa mavitrika amin’izany ve isika ? Mitohy ihany ny Evanjely : niditra tao amin’ny sinagoga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata i Jesoa. Tsy hoe indray mandeha fa mazava tsara eto ny hoe araka ny fanaony ; koa fanaontsika tokoa ve ny mankany sa mpanao tsidi-pahitra na isaky ny fety na misy sakramenta na amin’ny fandevenana ihany vao mankany ? Ataoko fa tsy izany fa raha sanatria ka tojo an’izany dia miova haingana fa tsy mbola tara.

Tohizantsika ihany, isika rehetra vita batemy afaka milaza toy ny nataon’i Jesoa hoe : “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy”, mihamafy izany, indrindra ho antsika nandray ny sakramentan’ny Fankaherezana. Sa sanatria fanahim-biby no mbola manjaka ka ilaozana mifandrafy sy mifankahala fotsiny. Ny Fanahin’ny Tompo no aoka hanjaka amintsika.

Nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany. Aleo izany toy izay mifanaratsy sy mifanenjika ary mifanimba fotsiny. Misy mantsy tsy mahita afa-tsy ny lafy ratsin’ny hafa, na hadisoana mety ho vita satria nofo ihany moa ka mitsongoloka amin’ireny fa tsy mahita na minia manakimpy maso amin’ny lafy tsara mibaribary sy ny soa ataon’ny hafa ka mijery an’izany matetika amin’ny solomaso mainty. Rehefa tiana na ratsy aza vitany dia ratsy foana ary rehefa tsy tiana dia ratsy foana na miezaka manao ny tsara aza ka hamoronana izao atsanga tsy aman’orana izao mba hanesoana sy hanebahana azy ireny. Efa tonga ny fahazavana ka mialà amin’izany haizina izany. Aleo aza maika manasoaso toy izay maika manaratsy sy manebaka.

Ambonin’izany rehetra izany, ny Batemy tsy mampipetrapetraka fa maniraka hiasa sy handray andraikitra ary hirotsaka hanitatra ny fanjakan’Andriamanitra ka tsy azo atao anjoron-damba na anjorom-bala io Batemy io satria ny handrina no nandrarahana rano sy nohosorana menaka masina tamin’ny nandraisana azy ka aoka hivandravandra sy hiharihary ny Batemy noraisintsika. Koa nataontsika ahoana àry ny Batemintsika ? Aoka ifanampy sy ifanentana ny amin’izany isika rehetra. Rehefa vita ny nataon’i Jesoa dia nahoriny ny Boky ary naveriny tamin’ny mpitandrina. Misy amintsika tsy mahalala mamerina ny zavatra nampiasaina fa mitondra izany mody na fanahiniana na tsia. Raha fintinina dia Modely ho antsika i Jesoa arahintsika ka manaova toa Azy dia hilamina isika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...