Alatsinainy 3 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Ny olona iza nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny mazava — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-17. 23-25
Mbola ao anatin’ny fankalazana ny Fahatongavan’ny Teny ho nofo isika izao, dia i Kristy Fahazavana, mandroaka ny haizina manarona antsika rehetra. Mibaribary izany amin’ity Evanjely aroso ho dinihintsika ity, izay fahatanterahan’ny faminanian’i Izaia : "Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava" Izany hoe : isika indray izao no Kafarnaoma : tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy i Neftalì, ny any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily, vaovao. Koa toy ny trano isika : izay mahay manararaotra mamoha varavarana ihany no ho tafiditry ny hazavana ka hanana fahasalamana fa izay mirindrina ao kosa hitakiky anatin’ny haizina ka ho lazoin’ny aretina matetika. Izay ratsy no tia an’izany fa ny tsara kosa mila mazava mandrakariva. Ireo karazana fahotana maro no mbola haizina mandrakotra antsika ka mila manokatra ny varavaran-kelin’ny fo sy ny saina ary ny finoantsika isika hidiran’i Kristy, Ilay hany tena afaka manazava antsika rehetra. Koa tsy ampy ny hoe mahita fahazavana fotsiny fa ilaina koa ny mandray sy mampiditra azy ao an-trano mihitsy mba ho henika azy ny tontolo misy antsika rehetra.
Ankoatra izany, fanombohan’ny fitorian-teny nataon’i Jesoa eto, ka hoy Izy hoe : "Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra". Izay no voalohany lazainy. Tsy hoe : "ho avy" fa hoe : "akaiky" ny fanjakan’ny lanitra. Mbola mitombina hatrany amin’izao androntsika izao io tenin’i Jesoa io ; koa aza varivarian’ny lavitra na sondrian-tory toy ny hafa isika fa akaiky tokoa izany, aza manaiky rebirebena na avilivilin’ny hafa isika fa aoka hiambina tsara. Mitaky fibebahana matetika izany, indrindra amin’izao vaninandro diavintsika izao. Ny asa fitoriana tokoa mantsy maniraka fa tsy mampipetrapetraka, toy ny nataon’i Jesoa eto : "Nitety an’i Galilea manontolo : nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona, nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona". Koa tsy kabary ambony vavahady fotsiny ny asa fitoriana fa asa toy ny taon-jezika an-kady ka aina no fetra ; toy ny firoborobon’ny teknolojia ka tsy mitsaha-mivoatra isan’andro, tsy misy fiafarany ; ka na efa antitra misotro ronono aza miezaka maharaka toetr’andro foana. Mibaribary izany amin’izao sinaody hatrehina izao, ka meteza mandray anjara mba ho tena miara-dia sy miara-dalana tokoa isika. Amin’izay tsy hoe eran’i Siria manontolo fotsiny ihany no hiely ny lazany, fa manerana izao tontolo izao mihitsy.
Izay ny Azy Jesoa, fa ny antsika kosa manao ahoana ? Nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny. Izany hoe anjarantsika ny mitondra ny olona ho eo amin’i Jesoa, indrindra ireo manana olana isan-karazany. Tandremo anefa sao isika indray no hadino fa isan’ny mila mankeo aminy koa isika, tandremo koa sao mibahan-toerana na misintona olona hanalavitra Azy. Ny "virus" no manimba na olona na solosaina fa isika kristianina vita Batemy mila manaraka an’i Jesoa mandrakariva. Amin’izany tsy ho olona iray na roa na telo fotsiny no ho tonga eo aminy fa vahoaka be. Ho toa anie izany. Amen.