Alakamisy 30 desambra 2021 — Andro fahenina amin'ny havaloan'ny Noely — Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 36-40

Mitantara ny fanolorana an’i Jesoa Zazakely tao an-Tempoly ny Evanjely. Betsaka ireo olona voatonona ao anatin’ny tantara fa iray amin’izy ireo ihany no horaisintsika, dia i Anà mpaminany, satria afaka hanampy bebe kokoa antsika izy hiaina ny maha kristianina antsika ankehitriny.

Lazain’i Maindahy Lioka evanjelista fa zanak’i Fanoela i Ana ary fokon’i Asera. Efa mampiditra antsika sahady amin’ny vanim-potoan’ny fanavotana ny fahafantarana ny hevitr’ireo anarana ireo : Ana, midika hoe "manome ny fahasoavany Andriamanitra" ; Fanoela, "tavan’Andriamanitra" ary Asera, midika hoe "fahasambarana". Natao hiaina ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny hafaliana ary ny tso-drano avy amin’ilay Tsitoha ny kristianina tsy ankanavaka, ary manana adidy ihany koa ny hitory azy eran’ny vazan-tany.

Na dia eo aza ny fahanterany, nanome ny modely ho an’ireo zokiolona mba hahay hampiasa ny fotoany i Ana, efatra amby valopolo taona : nikolokolo ny fifandraisany tamin’Andriamanitra izy, fa izany no tiana hambara amin’ilay hoe tsy niala teo amin’ny Tempoly izy, nifady hanina izy. Hafatra ho an’ireo zokiolona tsy mitsaha-mimonomonina tsindraindray, ka manameloka izao andro ankehitriny izao ; hafatra ho an’ireo mihevitra fa vesatra ny fananana an’ireny olona ireny. Asaina isika miditra amin’izany taona izany mba hahay hampiasa azy, an-kafaliana sy am-pitoniana tokoa.

Toetra anankiray mampiavaka an’i Ana ihany koa ny fitoriany fanantenana na dia eo aza ny fahanterany. Nolazainy tamin’ireo izay miandry famonjena i Kristy. Misy amin’ireo zokiolona eo amintsika no mampihorohoro ny amin’ny ho avy satria manameloka ny ankehitriny izy ireo. Fa tsy mba anisan’ireny velively i Ana fa vao mainka aza izy mitory fa efa tonga ny Mpamonjy, izay hiteraka hafaliana sy fahasambarana sy fiovana ho tsara eo amin’ny fiainana.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...