Alarobia 29 desambra 2021 — Andro fahadimy amin'ny havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-35

Manome ohatra velona hahaizantsika manararaotra tsara ny fetin’ny Noely ireo olona vitsivitsy tanisain’ny Evanjely anio. Manome ohatra amin’ny fahafoizana ny sombin’ny ainy ho an’Andriamanitra ho fikatsahana ny soa iombonana ho an’olona rehetra i Maria sy Josefa. Tsy natao hafenina ho an’izao tontolo izao i Jesoa Kristy fa natao hotorina sy hatolotra.

Ny fomba fijerin’i Simeona mahakasika an’i Jesoa Zazakely indray no lesona manaraka ho antsika : ho an’i Simeona, mpitondra fanantenam-pamonjena ho an’ny olona voageja amin’ny lafiny rehetra i Jesoa Zazakely. Fahazavan’izao tontolo izao ihany koa Izy satria tonga hanampy antsika hahita ny tsiambaratelon’Andriamanitra, niafina hatry ny ela. Nasehon’i Simeona tamin’ny oha-pitondran-tenany fa mila vonona tanteraka sy an-kafaliana hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ny kristianina ; mila mahalala ny misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ihany koa.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...