Alakamisy 16 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 24-30

Henontsika teo fa nony lasa ny irak’i Joany, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy izy : "hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra ? Volotara hozongozonin’ny rivotra va ? Lehilahy tsara fitafiana va ?"

Matetika ihany koa isika rehefa milazalaza ny mahakasika ny fiainan’i Joany, ilay mpialoha lalana an’i Jesoa Kristy dia mijanona fotsiny amin’ny endriny ivelany : ny fitafiany, ny fiainana feno fahantrana, ny sakafony. Matetika hadinontsika ny asa lehibe nataony, dia ny fitoriana ny batemim-pibebahana ho fanomanana ny fiavian’i Kristy, ny finoana lalina nananany. Nampibebaka ny olona izy tamin’ny alalan’ny vavaka mba hanomanana ny fandraisana an’i Kristy. I Joany no mpaminany farany tao amin’ny Fanekem-pihavanana taloha, izay nanambara fa i Kristy dia efa eto amintsika ary eto amintsika ny fanjakany. Ka io no anton’ny fanontaniana napetrak’i Jesoa an’ireto vahoaka ireto. Nentiny nanampiana azy ireo mba hatoky ny tenin’Andriamanitra notorin’i Joany.

Efa eto amintsika ny Mpamonjy, ahoana no fandraisantsika azy ao am-pontsika. Moa efa latsa-paka ao am-pontsika sy eo amin’ny fiainantsika manontolo ve ny hanaboatra ny lalan’i Kristy. Voairaka isika hitondra an’i Kristy ho an’any hafa. Voairika isika hanomana ny fiavian’i Kristy ho an’ny manondidina antsika. Ka aoka àry ny fiainantsika manontolo haneho izany finoana lalina feno hafaliana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...