Talata 14 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32
Mazava tsara ny hevitra tian’i Jesoa hambara amin’ity fanoharana izay nentiny nampianatra ireto lohandohan’ny mpisorona sy loholona Jody ireto. Satria izy ireo dia mahafantatra ny fampianaran’i Jesoa fotsiny fa tsy miaiana azy. Izany no atsoina hoe fihatsarambelatsihy.
Matetika koa isika alaim-panahy hiaina toraka izany : tsy ampy fotsiny ny miteny hoe : "mino aho Jesoa", hahazoana ny fanjakan’ny lanitra fa tsy maintsy miaina izay takin’Andriamanitra amintsika isika, tsy maintsy manaiky izay atoron’ny tenin’Andriamanitra amintsika. Ny zava-dehibe eo imason’Andriamanitra dia ny fiainantsika am-pitiavana tanteraka ny teniny amin’ny fiainana andavanandro amin’ny fomba maro isakarazany : mety ho amin’ny firaha-miaiana aminy hafa, fanaovana asa soa amin’ny hafa.
Matetika isika miteny "eny" nefa tsy manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Nefa ao koa ireo miteny hoe "tsia" fa avy eo izy ireo dia mibebaka ary manatanteraka tsara ny sitrpon’Andriamanitra. Ka izay no natonga an’i Jesoa hiteny mafy hoe "izaho milaza aminareo marina fa ny poblikanina sy vehivavy janga no efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra." Anagatao àry ny fahasoavan’Andriamanitra mba hitombo ny finoantsika ka hohaintsika ny miaina sy manatanteraka sitrapon’Andriamnitra eo fiaianana andavanandro ka ho haintsika ny mampiatra azy amin’ny adidy izay manandrify antsika tsirairay avy.