Ny fahasahiana dia misy fototeny hoe sahy. Ny olona manana fahasahiana dia olona manana herim-po hanao zavatra. Olona sahy dia afaka manao zavatra no sady manaiky ny hanao zavatra. Ny olona manana fahasahiana dia olona tsy matahotra ao anatiny ary marisika ny hanao zavatra iray mety hoe tsy vitan'ny hafa. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...