Ny fanokafana ny fankalazana dia fandraisana ireo rehetra tonga hamonjy Lamesa, no sady hisarihana ny fo amam-panahin'ny mpino hifantoka ao anatin'ny fankalazana, azo adika ho famondronana izany. Ao anatin'ny hira fanombohana no hidiran'ny mpisorona miaraka amin'ireo mpandraharaha rehetra eo amin'ny sorona, mandritra izany koa ny fiarahabana ary ny fanomanana ho amin'ny fifonana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Zoma 17 jolay 2026

• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...