Maro ny vavaka nosintonina tamin'ny hevitry ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin'ny Fiangonana no noraiketin'ireo Aban'ny Fiangonana ho vavaka tsy miova ka azo atao tsianjery mba hampitombo fahaizana sy fahalalana ny kristianina mahakasika ny Misterin'Andriamanitra. Isan'ny faratampony amin'ny vavaka ampianarin'ny Fiangonana ny Litorjian'ny Sorona Masina... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...