Rehefa miventy ny fiekem-pinoana isika dia voalaza ao any hoe " izaho mino ny fiombonan'ny Olomasina", noho izany dia misy tokoa ireo Olomasina. Ny Eglizy katôlika dia nanaja azy ireny, fa amin'ireo karazam-pivavahana maneran-tany dia maro no manaja ny Olomasina toy ny fivavahana Jody, Silamo, Prôtesanta, Ôrtôdôksa saingy misy maha samy hafa azy ny fomba fivavahana... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...