Ny olona izay misakana ny marina amin'ny tsy fahamarinany dia tsy mankalaza na misaotra an'Andriamanitra akory. Ny fisaorana an'Andriamanitra no azo lazaina fa vovonana iadian'ny lohany amin'ny vavaka rehetra : mahareta amin'ny fivavahana, ataovy amim-piambenana sy fisaorana izany, hoy i Md Paoly ao amin'ny Taratasiny ho an'ny Kôlosiana 4, 2...  Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...