Ny vavaka dia misy fizotrany eo amin'ny fomba fanehoana azy. Hoy i Jesoa : mangataha dia homena ianareo ; fa izay rehetra mangataka no mahazo. Tahaka ny miteny Izy hoe mangataha amin'ny vavaka fa izay mivavaka dia mahazo foana na inona na inona antony. Ratsy fangataka ny olona iray rehefa ny filàny sy ny tenany fotsiny no ataony ivon'ny fangatahany, izany hoe filan-dratsy fotsiny no tiany ho azo... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...