Ny tena marina dia matetika isika no tsy mifampiresaka ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra. Andrasantsika fotsiny ny hahataperan'ny fandraisam-pitenenan'ny hafa hampidirantsika ny hevitsika. Amin'ny tranga toy izany, araka ny voalazan'ny filôzôfa Abraham Kaplan hoe : ny ady hevitra dia lasa resaka roa, olona roa miresaka zavatra roa amin'ny feo roa. Ny fihainoana no singa ilaina voalohany amin'ny fifampiresahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...