I Laura Vicuña, Olontsambatra no tsaroana ny 22 janoary. Teraka tao Santiago (Chili) ny 05 aprily 1891 i Laura Carmen Vicuña. Miaramila ny rainy, mpanjaitra kosa ny reniny Mercedes Pino no anarany. Vao teraka kely i Laura dia tsy maintsy nifindra monina tany Temuco izy mianakavy.

Noho ny aretin'ny taovam-pisefoana dia maty tampoka ny rain'i Laura, tamin'izay anefa dia vao teraka i Amanda zandriny. Vao roa taona monja i Laura tamin'izay. Nanokatra fivarotana kojakojan-jaitra ny reniny mba hiveloman'izy telo mianaka ireto, nefa nisy nandroba io fivarotana io ka voatery nitady ravin'ahitra tany Argentine izy ireo. Rehefa tsy nahomby tamin'ny asany i Mercedes Pino, ny renin'i Laura izany, dia nanao fifanarahana ho mpiasa an-tranon'i Manuel Mora, mpanefoefo tao an-tanàna, izy. Tsy araka izany anefa fa nivadika tamin'ny fifanarahana ity lehilahy ity ka noviravirainy i Pino ary nanaovany herisetra. Nitaraina ihany i Mercedes Pino fa tsy nahita haleha ka dia nihafy tao ihany.

Vao tonga tany Argentine tamin'izany fotoana izany ny Masera Salezianina Filles de Marie Auxiliatrice, ary nanokatra sekoly ho an'ny tovovavy ny volana janoary 1899. Herintaona tao aorian'io, izany hoe ny taona 1900, nalefan-dreniny nianatra tany koa i Laura sy i Amanda zandriny. Ilay lehilahy niasan-dramatoa Mercedes Pino moa no niantoka ny fianaran'izy mirahavavy ireto. Ny tanjon'io lehilahy io tamin'izany dia ny hampakatra an'i Laura ho vadiny ao aoriana kely. Na dia teo aza ny alahelon'i Laura nisaraka tamin-dreniny fony izy nijanona tany amin'io sekolin-dry Masera io, dia nahatsiro sambatra izy niaraka tamin'ny mpampianatra tanora mafana fo. Natao Kômonio voalohany i Laura, herintaona taorian'ny nahatongavany tao ary nanapa-kevitra izy ny hitia an'Andriamanitra manontolo, hanao sorona ny tenany ary hifidy ny fahafatesana toy izay ny fahotana, hampahafantatra an'i Jesoa sy hanonitra ireo ota vita taminy, toa an'i Dominique Savio.

Indray andro, nahatsapa i Laura fa niaina tao anatin'ny fahotana ny reniny ka dia nanaolo-tena ho an'Andriamanitra izy ho fanonerana izany. Nampitomboiny ny famolahan-tenany, ary nivoady ny hanaraka ny Soratra Masina izy rehefa nifanaiky tamin'ny mpampikônfesy azy. Reraky ny fanaovana sorona ny tenany sy ny aretina izy taty aorina. Ny alina farany nahavelomany dia nilaza ny tsimbaratelony tamin'ny reniny izy nanao hoe: "Neny ô, hofaty aho. Efa ho roa taona izao no nangatahako tamin'i Jesoa Kristy ary nanolotra ny tenako taminy aho ho famonjena anao mba hiverenanao amin'Andriamanitra. Neny ô, alohan'ny handehanako, moa mba afaka mifaly ve aho? Hahita ny fibebahanao?". Dia hoy Ramatoa Pino reniny nampanantena azy: "Rahampitso maraina, hiaraka amin'i Amanda aho ary hikônfesy". Dia hoy i Laura tamin'ilay pretra nanatrika teo: "Ianao no vavolombelon'ny fampanantenany, ary nampiany, Misaotra Jesoa ô! Misaotra Maria! Ankehitriny, an-kafaliana no hafatesako". Dia tao anatin'izany hafaliana izany no nodimandry ny 22 janoary 1904 i Laura Vicuña.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...