Romanina i Marcel izay ankalazaina ny 16 janoary, ary voafidy ho papa tamin'ny 21 mey 308 izy handimby an'i Masindahy Marcellin, papa maty martiry roa volana talohan'io daty io. Ny Amperora Maxence no teo amin'ny fanjakana tamin'izay. Rehefa teo amin'ny Fiketraha masina i Marcel dia tsy nohadinoiny ny herim-po sy ny toe-panahy mendrika notahafiny tamin'ilay nodimbiasany.

Nisy vehivavy tia vavaka, nanome azy toerana mba hanorenana fasana vaovao sy mba ahafahana mankalaza ny Sorona Masina amin'izay tsy hozimbazimbain'ireo mpanompo sampy ny fankalazana. 25 ireo tànana tao Roma no naorenan'i Marcel fiangonana mba hanamora ny fizarana ny famonjena ho an'ireo mpino. Niezaka hatrany izy ny hamerina amin'ny laoniny ireo fitsipika izy nigoragora noho ny fanenjehana.

Niharitra fanenjehana mahery vaika ny Fiangonana tamin'izany fotoana. Tsy navelan'i Maxence hanao ny asany ny papa. Rehefa niezaka namerina amin'ny laonina ny fombam-pivavahana masina nandritra ny fanenjehana àry ny papa dia romotra ireo mpanenjika. Nasin'i Maxence nosamborina i Marcel  ary nampakarina fitsarana ka nasainy nametra-pialana amin'ny maha papa azy ka honolotra sorona amin'ny sampy. Hentitra anefa ny valin-tenin'i Marcel "Tsy afaka ny handà ny asa nomen'Andriamanitra ahy aho, ary ny finoana no ambony noho ny fiainana". Tezitra noho izany ireto olon-doza ka avy hatrany dia nikapoka mafy an'i Marcel. Tsy nohelohina ho faty anefa izy fa mba hanala baraka ny Fiangonana sy ny mpino kristianina dia nahetry ho andevo i Marcel ary nanao ny asa fanompoana tany amn'ny tranon-sovalin'ny Amperora.

Naharitra andro maro no namonjana azy, tsy nitsahatra nivavaka sy nifady hanina izy ary nitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra. Sivy voalana tao am-ponja, nisy pretra tao Roma, nifanaraka kihafina tamin'ireo manam-boninahitra hividy an'i Marcel mba hanafana azy. Ny alin'io dia afaka izy. Lucine, vehivavy kristianina nanaon-tena efa ho 19 taona no nampiantrano an'i Marcel avy eo ary io trano io no lasa fiangonana nihaonan'ireo mpino nanomboka teo.

Rehefa naheno izany i Maxence dia nasiny nosamborina indray i Marcel ary nohelohina fanindroany izy mba hanompo toy ny mpikarakara soavaly ihany. Tao i Marcel no maty, teo afovoan'ireo biby nokarakarainy, miakanjo silice. I Lucine no nadevina an'i Marcel tao amin'ny fasan'i Priscille. Marihana fa i Marcel no papa farany nenjehin'ireo mpanompo sampy.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...