I Masimbavy Tatiana de Rome na i Tatienne no tsaroana ny 12 janoary. Niaina tamin'ny taonjato faha-3 i Tatiana na i Tatienne. Consul romain ny rainy, tsara tarehy tokoa i Tatiana. Niara-nivavaka tamin'ireo mahantra izy na dia nanana sy zanaka manam-boninahitra aza.

Nitsabo ireo mahantra izy ary nanampy ireo kamboty mba ho afa-mihoitra irery eo amin'ny fiainana. Nenjehina noho ny maha kristianina azy anefa i Tatiana ka nohelohina hofaty. Nahantona izy, naboridana sy norangotina tamin'ny fihogo vy ny vatany, nosolaina ny volony ary notapahana avy eo ny lohany tamin'ny taona 226.

Noho ny finiavan'i Tatiana no nampalaza azy tao Russie. Voalaza fa i Masimbavy Tatiana na i Tatienne irery no nahay nampiaina tsara ny zava-boaary rehetra mandritra ny hatsiaka mairifirin'ny volana janoary. I Masimbavy Tatiana no mpiaro ny Oniversiten'i Russie satria ny 12 janoary 1724 no nanorenan'i Pierre le Grand ny Académie des Sciences tao Saint-Petresbourg. Ny 12 janoary 1755 ihany koa ny Impératrice Elisabeth Petrovna no nanorina ny Oniversite tao Moscou. Mandritra ny fankalazana io olomasina io dia manao fety ny mpianatry ny Onivesrite, vory lanona izy ireo, mifaly sy miala voly.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...