Ankalazaina izao 11 janoary izao i Masindahy Paulin d'Aquilée. Teraka teo anelanelan'ny taona 730 sy 740 tao Premariacco faritanin'i Udine i Paulin. Fanta-daza tamin'ny fahaizana sy ny fahalalana izy satria mpanoratra izy. I Alcuin dia nifidy azy ho mpampianatra ary ny Amperora Charlemagne dia niantso azy ho mpanolo-tsaina tao an-dapa indrindra ny amin'ny ara-pivavahana.

Ny taona 787 io Amperora io no nanendry azy ho eveka tao Aquilée tao Frioul, Italia. Nantsoin'i Charlemagne hoe "gammaticae magister" izy, izany hoe mana-pahaizna momba ny fitsipi-pitenenana. Ny taona 782 izy niaraka tamin'i Alcuin dia isan'ireo tao anatin'ireo manam-pahaizana tao an-dapa ka tamin'izany fotoana izany i Paulin no nitondra ny anaram-bosotra hoe "Timothée".

Tamin'ny fotoana nitondran'i Paulin ny Fiangonana dia niezaka nanohitra ny fampianaran-diso nataon'ireo "adoptianistes" izy, izay nilaza fa i Jesoa Kristy dia zanaka natsangan'Andriamanitra. Teo ihany koa ny fotoan-tsarotra nolalovan'ny Fiangonana teo amin'ny fifandimbiasam-panjakan'ny Lombards sy ny Francs.

Nandray anjara tamin'ny Konsilim-paritra tao Aix-la-Chapelle ny taona 789 i Paulin. Toa izany koa ny Konsily tao Ratisbonne ny taona 792 ary ny tao Francfort ny taona 794. Maro ireo asa-sorany toy ireo "Traités théologiques", nahitana ohatra ny boky "Libellus Sacrosyllabus" sy ny hoe "Contra Felicem" nanoherany ireo adoptianistes. Nisy ihany koa boky nosoratany ho an'i Eric de Frioul tamin'ny tao 797 mitondra ny lohateny hoe "Liber exhortationis". Nanoratra tononkalo maro ihany koa i Paulin. Tao ny "Regula fidei", fiekem-pinoana nataony manokana io. Hafa koa ny "Versus de Herico duce", hira noforonina hanomezam-boninahitra an'i Eric de Frioul tamin'ny fandevenana azy. Nisy ihany koa ilay antsoina hoe "Versus de Lazaro", kalo momba ny fitsanganan-ko velon'i Lazare. Noho io asan'i Paulin ara-panahy sy ara-kolontsaina io no nahatonga ny olona hiantso azy hoe hazavan'ny finoana an'i Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...