23 desambra — Teraka tamin'ny taona 1397 tao Kenty, diosezin'i Cracovie, i Jean de Kenty. Anne sy Stanislas no anaran'ny ray aman-dreniny, ary mbola zaza izy dia efa naneho toetra malefaka sy tia vavaka.

Nandalina ny filôzôfia sy ny teôlôjia tao amin'ny Université jagellone de Cracovie, i Jean. Toeram-pianarana fanta-daza na dia hoe niorina vao haingana aza ity université ity. Rehefa nahazo ny mari-pahaizana docteur sy professeur izy, dia nampianatra teôlôjia sy ny teny ary ny filôzôfia. Notendrena hitantana paroasy tao Ilkusi koa i Jean, ka tamin'izay no nanehoany ny fitiava-namana, ny fitorian-teny ary ny fitivam-bavaka sy ny famolahan-tena. Ny hany fananany dia nozarainy tamin'ny mahantra, hatramin'ny akanjo teny an-kodiny aza.

Voalaza fa indray andro, tao am-piangonana dia nahita mpangataka, efa jihitry ny hatsiaka, natory teo amin'ny ranomandry izy. Nesoriny ny manteau teny aminy ka nomeny io olona io, ary nentiny tany an-trano mba hotsaboina sy hankaherezina ilay lehilahy. Rehefa lasa io mpangataka io, dia niseho tamin'i Jean i Masina Maria, namerina taminy ilay akanjo. Tena nampitebiteby an'i Jean ny andraikitra nosahaniny tamin'ny fitondrana paroasy, ka nomen'ny eveka alalana izy hiverina hampianatra. Nanamarika ny fiainany ny fitiavam-bavaka lalina sy ny fampijalian-tena. Ohatra amin'izany ny tsy nihinany hena mihitsy. Ankoatra ny fianarana sy ny fampianarana dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny fandinihan-tena ny androny, ary izany no nahazoany fahitana, na fifandraisana am-panahy amin'Andriamanitra, indrindra fa amin'ny fibanjinana ny fijalian'ny Tompo mandritra ny alina.

Nanao fivahinianana masina tany Jerosalema ihany koa izy, izay nitoriany teny tamin'ireo Turcs, ary ny toriteny nataony tamin'izany dia ny momba an'i Kristy nofantsihana. Toa izany koa tany Roma, namangy ny fasan'ny Apôstôly izy. Ambaran'ny tantara fa tamin'ny fivahinianana masina nataon'i Jean de Kenty tao Roma, dia nendahan'ny jiolahy izy ka lasan'izy ireo avokoa izay hitan'ny mason'izy ireo. Nanontaniany moa i Jean raha mbola misy zavatra hafa any aminy, namabran'io fa tsy misy intsony. Rehefa lasa ireo jilahy dia tadidiny tampoka fa nisy volamena nizaitra tao amin'ilay akanjo, ka nenjehiny ireo jiolahy, ary nomeny azy ireo ilay volamena. Very hevitra ireo jiolahy ka naveriny tamin'i Jean avokoa, hatramin'ireo nalainy teo aloha. Ny alin'ny Noely 1473 no nodimandry i Jean de Kenty, ary nentina tao amin'ny fiangonana Sainte-Anne, fiangonan'ny Université, ny vatana mangatsiakany. Ny papa Clément XIII no nanandratra azy ho olomasina ny 17 aogositra 1767.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...