30 nôvambra — Teraka tao Bethsaïde tao Galilée, amoron'ny farihin'i Tibériade i André. Mpanjono no asany, ary niaraka tamin'ny rahalahiny nantsoina hoe Simon izy tamin'izany. Mpianatr'i Jean-Baptiste izy ireo teo aloha, ary io no heverina fa nanao batemy azy.

Rehefa nanondro an'i Jesoa Kristy i Jean-Baptiste hoe : "Inty ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, izay manala ny fahotan'izao tontolo izao", tamin'izay dia nanaraka an'i Jesoa izy ireo (Jo 1, 29-40). I Masindahy André izany no anisan'ireo mpianatra nantsoina voalohany, ary izay no antony iantsoana azy hoe "protoclet", izany hoe : "ilay voaantson'Andriamanitra voalohany". Raha araka ny Vaovao Mahafaly dia fantatsika fa i Jesoa, nahita azy niaraka tamin'i Simon nandatsaka ny harato teo amin'ny farihin'i Tibériade ka nataony hoe : "Avia manaraka ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo". Matetika i André no manao mpanelanelana amin'i Jesoa, ohatra, izy no nampahafantatra an'i Simon, rahalahiny, tamin'i Jesoa. Toa izany koa tamin'ny fampitoboana ny mofo, i André no nitondra ilay tovolahy nanana mofo dimy sy hazandrano roa, teo amin'i Jesoa. Ary raha te hihaona tamin'i Jesoa ireo Grika, dia i André ihany koa no nanontanian'izy ireo an'izany.

Tao aorian'ny Pantekôty dia nitory ny Evanjely ary nandeha lavitra nitety ny sisin'ny Mer Noire, i André. Tonga hatrany Bithynie, any amin'ny sisin'i Turquie iny izany. Tany Ephèse, Mésopotamie, Ukraine, Thrace, faritra anelanelan'ny Bosphore sy Danube. Tany Byzance ary tany Achaïe, faritra avaratr'i Péloponnèse. Tao Achaïe, tao Patras izy no nofantsihana tamin'ny hazofijaliana, tamin'ny andron'ny amperora Néron, ny taona 60. Toa izao no fitantaran'ireo raki-tsoratra sy ireo tantara ny momba ny naha martiry an'i Masindahy André.

I André no nampibebaka ny vadin'ny proconsul tao amin'io faritra nisy azy io. Tezitra noho izany ilay proconsul ka nampisafidy an'i André, na hanolotra sorona amin'ny sampy, na ho faty eo amin'ny hazofijaliana. Ny ho faty ho martiry no nofidian'i André, ka roa andro talohan'ny hamonoana azy dia nitory ny Vaovao Mahafaly tamin'ny vahoaka izy. Tezitra ny vahoaka ka nandrahona ho faty ilay proconsul. Mbola norahonana ny hampijaliana ihany i André, fa hoy izy : "Faniriako ny hijaly. Raha ny fijaliako dia tsy haharitra ela akory, fa ny fangirifirianareo kosa dia ho mandrakizay, raha tsy mino an'i Jesoa Kristy ianareo". Tezitra tamin'izany ireo mpitsara, ka nentiny tany amin'ny toerana hampijaliana azy i André. Teny an-dalana dia nankahery ireo mpino namany i André, ary nampitony ny hatezeran'izy ireo. Vantany vao nahita ny hazofijaliana izy dia izao no hiakany : "Arahaba ianao ry hazofijaliana, nohamasinin'ny fijalian'ny Mpamonjy. Ny rà mitete no vato sarobidinao, manatona anao an-kafaliana aho. Raiso ity mpianatr'Ilay voafantsika. Ry hazofijaliana tsara ! Niriko hatry ny ela ianao, notiavina indrindra indrindra. Ento eo amin'Ilay Andriamanitra Mpampianatro aho. Amin'ny alalanao no hidirako ao amin'ny voninahitr'Ilay namonjy ahy tamin'ny alalanao". Izy ihany no nanala ny akanjony, ary nizara izany tamin'ireo mpampijaly azy. Avy eo nafatotra tamin'ilay hazofijaliana, izay manana endrika toy ny tarehin-tsoratra X, ary hatramin'izao dia antsoina hoe "Croix de saint André" io hazofijaliana io. Nankahery ireo mpino kristianina i André tamin'izany, ary nampibebaka ireo mpanompo sampy ihany koa. Antsasakadiny talohan'ny nialany aina dia rakotra hazavana avy any an-danitra ny vatan'i André. Nanome baiko ny hampidinana azy ilay proconsul, fa tsy nety niala teo amin'ny hazofijaliana ny vatany, ary tao anatin'izany hazavana mamirapiratra izany no nialany aina, ka nanjavona io hazavana io rehefa tapitra ny ainy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...