28 nôvambra — Teraka tao Monteprandone tao Marche d'Ancône ao Italie tamin'ny taona 1391 i Masindahy Jacques de la Marche. Rehefa nieritreritra ny hisafidy izay toe-piainana arahiny izy dia nihevitra ny hirotsaka ho chartreux, nefa noho ny fifandraisany tamin'ny fransiskanina dia nanapa-kevitra izy ny hiditra tao amin'ny fikambanan'ny fransiskanina.

Vao tany amin'ny noviciat izy dia efa modely tamin'ny hatsaram-panahy. Anisan'ny nampisongadina azy ny fitiavany mivavaka : nolaniany tamin'ny vavaka ny androny, adiny telo ihany izy no matory, fa ankoatra izay, ny alina dia hanaovany vavaka eo am-pototry ny hazofijaliana, ary vonton-dranomaso izy mandritra izany fibanjinana izany. Tsy mihinan-kena izy, fa mofo kely sy ananana no mba sakafony. Ary nanditra ny valo ambin'ny folo taona dia cilice no notafiany, tsy misy atin'akanjo io fa dia miraikitra amin'ny hodiny avy hatrany, ary vita amin'ny vy ny sisin'izany akanjo izany.

Nahomby ny fitoriany ny Vaovao Mahafaly tany Allemagne, tamin'ny fanoherana ireo fampianaran-diso. Tao amin'ny tanana iray monja dia tanora roanjato no niofana tamin'ny toe-piainany ka nirotsaka ho relijiozy. Saika hanapoizina azy ireo mpampiana-diso, nefa nojeren'i Jacques ilay lovia ary nanaovany famantaran'ny hazofijaliana ka nitresaka, ka hoy ireo hoe : "Eto ny tanan'Andriamanitra" ; ary nibebaka izy ireo. Nahatratra roa hetsy ireo nataon'i Jacques de la Marche batemy teo Norvège sy tany Danemark. Tany Prague indray, nisy ireo mpampiana-diso nampanantena azy fa raha manao fahagagana izy dia hibebeaka ho kristianina izy ireo. Avy niantso an'Andriamanitra sy nanao ny famantaran'ny hazofijaliana i Jacques dia nisotro ilay rano nasian'izy ireo poizina, nefa tsy nisy fiantraikany taminy akory izany. Raha i Jacques handeha hiverina ho any Italie, dia nandà tsy nety nitondra azy ilay tantsambo, ka tsy nisalasala izy, namelatra ny akajony teo amn'ny renirano mba hiapitany eny amin'ny morona ilany. Nisy olona ihany koa, nikasa ny hamono azy, ka rehefa nandalo izy dia nisy feo naontany io olona io hoe : "Ry ratsy fanahy, inona no ataonao eto anatrehako ? Te hamono ny mpanompoko sy ny mpanompon'i Jesoa Zanako va ianao ?". Raiki-tahotra ity olona ity ka dia nandà tsy hanohy izany asa ratsiny izany intsony. Fa ny tena nahagaga tamin'ny asa nataon'i Jacques de la Marche, dia ny fahitany sy ny fananganan-ko velona ilay zaza novonoin'ny jody sy notapatapahin'izy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...