22 nôvambra — Niaina tao Rome i Masimbavy Cécile tamin'ny fanombohan'ny taonjato fahatelo. Zanak'andriana manamboninahitra nalaza tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Alexandre Sévère izy. I Cécile irery ihany no kristianina tao amin'ny fianakaviany. Nanokan-tena ho an'Andriamanitra izy, ary nitandro ny fahadiovan'ny vatany.
Nasain'ny fianakaviany hanambady andriana romanina nantsoina hoe Valerius izy, tovolahy tsara tokoa, nefa mpanompo sampy. Tsy sitraky ny fony izany, nefa natao ihany ny lanonana fampakarana azy, ary natao makotroka tokoa izany. Ny alin'ny fampakarana anefa, rehefa nitoetra irery izy roa, dia hoy i Cécile tamin'i Valerius : "Ry namako malala, misy tsimbaratelo lazaiko anao ity, ka hanome toky ve ianao fa ho tazoninao ho anao samirery izany ?". Rehefa nanome toky i Valerius, dia hoy indray i Cécile hoe : "Henoy anie ! Misy anjely miambina ahy, satria an'Andriamanitra aho. Raha hitany fa mitia ahy amin'ny fitiavana ratsy ianao dia ho arovany aho, ary ho faty ianao. Fa raha hajainao ny fahavirijiniako, dia ho tiany ianao toy ny itiavany ahy, ary hirotsaka aminao ny fahasoavany". Somary hendratra kely ihany i Valerius, ary hoy izy : "Cécile, mba hinoako ny teninao dia asehoy ahy izany anjely izany". "Raha mino an'Andriamanitra marina ianao, ka mandray ny batemy kristianina, dia afaka hahita ny anjely miambina ahy". Nanaiky ny fepetra rehetra i Valerius, nankany amin'i Urbain, eveka tao Rome izy, nampianarina ary nandray ny batemy. Niverina tany amin'i Cécile izy, ka rehefa nitoetra teo akaikiny dia hitany nisy anjely niseho. Namiratra ny tavany ary nanjelatra ny helany, nitondra satroboninahitra roa : ny iray vita amin'ny raozy ary ny iray vita amin'ny lisy. Napetrany teo ambony lohan'izy roa ireo, ny iray teo amin'i Cécile ary ny iray teo amin'i Valerius, ary hoy io anjely io : "Nentiko ho anareo ireto voninkazo avy amin'ny zaridainan'ny lanitra ireto".
Nanara-dia an'i Valerius tamin'izany lalana maha kristianina izany i Tiburce rahalahiny, ka dia tonga kristianina ihany koa. Nenjehina izy mirahalahy ireto, ka rehefa tsy nanaiky nivadika tamin'ny finoana dia notapahana ny lohany. I Cécile kosa, nentina teo amin'ny fitsarana, ary nohadihadiana hoe : "Iza no anaranao ?", dia hoy i Cécile : "Eo anatrehan'ny olona aho, antsoina hoe Cécile, fa Krisitianina no anarako tsara indrindra". "Miankohofa sy manaova sorona amin'ireto andriamanitra ireto, hoy ny mpanadina", fa hoy i Cécile hoe : "Ireo andriamanitrao ireo dia vato sy firaka". Nentin'ilay Préfet niverina tany an-trano i Cécile, ary nobaikony ilay mpampijaly hamono azy amin'ny rano mangotraka, ao amin'ny koveta fandroana. Ny nahagaga anefa dia indro nisy rahona avy any an-danitra nampangatsiaka an'i Cécile. Nanapa-kevitra izy ireo fa hotapahana ny lohany, ka na efa in-telo nazera tamin'ny tendany ary ny famaky, dia tsy nety nisaraka tamin'ny lohany, ny vatany, ary telo andro tao aorian'izay i Cécile vao maty, ny taona 230. Marihana fa i Masimbavy Cécile no mpiaro ireo mpilalao zava-maneno.