17 nôvambra — Teraka ny taona 1207 tao Presbourg tao Hongrie i Élisabeth. Zaza fahatelo izy amin'ny zanak'i André II, mpanjaka tao Hongrie, taranaky ny mpanjaka Étienne. Vao efa-taona monja i Élisabeth dia nalefa tany Thuringe mba ho vadin'i Louis, comte tao amin'io tanana io.

Efatra ambin'ny folo taona i Élisabeth no nampakarin'i Louis ho vadiny, ary nifankatia tokoa izy ireo, na dia fanambadiana namboarina aza izany. Niteraka telo izy ireo, ary teo am-piandrasana ny zanany fahatelo no maty i Louis, raha handeha hiatrika ny ady fahadimy ho an'ny Tany Masina ny taona 1221. Nikasa ny mbola hampanambady an'i Élisabeth ireo havany, fa tsy nanaiky izy, hany ka nolazain'ny zaodahiny fa tsy manana ny fahalalana ny hitantana i Élisabeth, ka norahin'ireo fianakaviany hiala tao Wartbourg izy, ary tsy izy irery ihany fa niaraka tamin'ireo zanany telo mianadahy. Lasa izy nitady trano fialofana, ka toerana fiompiana kisoa no nitoerany. Ny eveka tao Baberg sy ny fianakaviana sasantsasany no niaro azy sy nanome azy ny anjara fananany ny taona 1228, ary niala tao Marbourg izy. Notezain'ireo havany ireo zanany telo mianadahy, fa i Élisabeth kosa lasa nanara-dia an'i Masindahy François d'Assise, nilatsaka ho tértiaire, nanompo ny mahantra. Nanorina trano fitsaboana izy, ary nitoetra tao mandram-pahafatiny. Nanao ny asa fanompoana ireo mahatra sy marary, ary ireo tsy manan-kialofana. Ny 16 nôvambra 1231 no nodimandry i Élisabeth noho ny gripa nahazo azy. Ny papa Grégoire IX no nanandratra azy ho olomasina ny taona 1235, ary ny papa Léon XIII no nanambara ampahibemaso tamin'ny taona 1885 fa mpiaro ny vehivavy sy ny tovovavy allemandes i Masimbavy Élisabeth de Hongrie.

Nifanampy fatratra tamin'ny vadiny i Élisabeth tamin'ny fanomezana aim-panahy ny andraikitra nosahanin'io vadiny io, ary io vadiny io koa dia nanohana azy tamn'ny asa fiantrana ireo sahirana. Izany fifankatiavana sy fifanohanan'izy mivady izany no fijoroana ho vavolombelona fa ny finoana sy ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana dia manamafy ny fiainam-pianakaviana sy ny fiainan'ny mpivady. Tsy nitsahatra nanolo-tena ho an'ireo mahantra izy, ary niasa mafy ho amin'izany. Tonga vehivavy nanokan-tena ary nanorina ankohonam-piainan-drelijiozy i Élisabeth, rehefa noroahin'ireo fianakaviany. Izy dia lasa olomasina mpiaro ny tertiaire an'i Masindahy François d'Assise sy ny séculiers franciscains. Nisy fiangonana nampitondraina ny anarany koa tao Marbourg tamin'ny taona 1235.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...