13 nôvambra — Teraka ny 28 ôktôbra 1550 tao amin'ny lapa Rostkowo tao Pologne i Stanislas Kostka. Farany amin'ny zanak'i Jan Kostka, sénateur sy i Marguerite Prisca anabavin'ny mpanjaka tao Mazovie i Stanislas.
Mbola tany am-bohoka izy dia efa noheverin'ny reniny fa hanompo an'Andriamanitra satria hita tao amin'ny tahirin-kevitra fanadihadiana ny maha olomasina azy tao Posna sy tao Rome fa tamin'ny nitondra azy am-bohoka ny reniny dia nahita ny Anaran'i Jesoa teo amin'ny kibony. Mazava tsara io soratra io ary miloko mamiratra. Ninoany mihitsy fa tsy kisendrasendra izany. Hatramin'izay dia efa fantatry ny ray aman-dreniny fa an'Andriamanitra i Stanislas. Ary noho izy ireo tia vavaka dia nobeaziny tamin'ny fomba manokana mihitsy ity faralah'izy ireo ity. Ny olona nitaiza sy nampinatra azy tao an-trano dia nahatsapa ny fahamasinan-toetran'i Stanislas hatramin'ny fahazazany. Malemy fanahy, tsotra ny fiakanjony, tsy tiany ny lalao ary nandosirany ny resaka mampidi-doza. Ny androny dia laniany amin'ny fianarana sy ny vavaka. Marihana fa tao an-tranony i Stanislas no nianatra hatramin'ny fahefatra ambin'ny folo taonany, fotoana izay nandefasan'ny rainy azy hianatra tany amin'ny kôlejin'ny zezoita tany Vienne, Autriche. Kôlejy izay naorin'ny amperora Ferdinand ho an'ny zanak'andriana tao Allemagne.
Rehefa maty anefa i Ferdinand dia nofoanan'i Maximilien ny fahafahan'ireo tanora ireo nipetraka tamin'izany kôlejy izany, ka tsy maintsy niverina tany amin'ny fianakaviany ny mpianatra. Dia niara-nitoetra tamin'ny rahalahiny sy governora iray i Stanislas. Tsy nankasitraka ny toetrany loatra anefa ity rahalahiny izay tia rendrarendra ity, ka nanenjika sy nanaratsy ary tena nampijaly azy mihitsy, satria zokiny. Nankarary an'i Stanislas izany, ary noheverina fa hahafaty azy mihitsy aza. Rehefa nihombo ny aretiny dia nisy fahitana : hitan'i Stanislas, biby masiaka mitolona azy. Imbetsaka no niseho taminy izany tranga izany. Tsy natahotra ny ho faty anefa i Stanislas satria nionona izy fa tsy misy hifaharany intsony eto an-tany. Nangataka tamin'ilay zokiny sy ilay governora izy mba haka pretra, hitondra Vatsy Masina ho azy, nefa nisalasala ireo. Nihombo ihany ny aretin'i Stanislas, hany heriny, niantso an'i Masimbavy Barbe, izay nananany fanajana manokana, ka nangatahany mba tsy hamela azy ho irery io amin'ny andro sarotra hilany izany. Indray alina dia niseho taminy ilay virjiny, niaraka tamin'ny anjely roa, nitondra Sakramenta Masina ho azy. Faly ka niarina ary nandohalika hivavaka, handray izany Vatsy Masina izany.
Tamin'ny fotoana niheverana fa niady aina i Stanislas, no niseho taminy i Masina Maria Virjiny, nankahery azy tamin'ny teny mamy ary napetrany teo amin'ny fandriana ny Tompo, izay avy eny an-tanany. Eto dia niendrika zazakely ny Tompo, natolotr'i Masina Maria ho eo am-pandrian'i Stanislas izany. Dia nomeny fotoana i Stanislas hanafosafo ity zaza ity. Faly ary mirana i Stanislas, fa hoy ilay vehivavy taminy hoe : "Mbola tsy tonga ny andronao, fa ny fahafahanao mahazo an'i Jesoa dia amin'ny alalan'ny fanekenao ny sitrapony. Midira ao amin'ny fikambanana mitondra ny Anarany, fa tiany hanao izany ianao, ary izaho no nirahiny ho aty aminao". Tao aorian'izay dia afaka nankany am-piangonana i Stanislas, nisaotra an'Andriamanitra. Nitady izay fomba hanatanterahana izany iraka izany izy, ka naka hevitra tamin'ny lehiben'ny Fikambanan'i Jesoa tao Vienne. Nanome azy taratasy ho any amin'ny Fikambanan'i Jesoa tao Augsbourg io, sy taratasy ho an'ny Père général any Rome satria sarotra ny hitazonana an'i Stanislas ao Vienne, tsy misy taratasy fahazoan-dalana avy amin'ny ray aman-dreniny. Dia lasa an-tsokosoko i Stanislas, tsy nilaza na tamin'ny zokiny na tamin'ilay governora, izay nalehany. Ny 15 aogositra 1567 izay fotoana nialany tao izay. An-tongotra no namakivakiany an'i Allemagne mandram-pahatonga tany Augsbourg. Rehefa tonga tao izy dia nalefan'ny lehiben'ny ankohonam-piainana tao indray, ho any Rome. Rehefa tonga tany Rome i Stanislas dia noraisin'i P. François de Borgia tao amin'ny noviciat an'ny Fikambanan'i Jesoa. Vao tonga tao, fotoana vitsy monja anefa izy dia nodimandry tamim-pahamasinana ny 15 aogositra 1568. Ny papa Benoît XIII no nanandratra azy ho olomasina ny taona 1726.