03 nôvambra — Teraka ny 9 desambra 1579 tao Lima any Pérou i Martin. Zanak'i Jean de Porrès sy i Anne Velasquez izy. I Jean moa dia miaramila tao Alcantara, i Anne kosa andevo mainty nahazo fahafahana tamin'inzany fotoana izany. Nanan-jandry ihany koa i Martin, nantsoina hoe Joanna.

Noho ny rain'i Martin, manam-boninahitra, dia tsy afaka nifototra tamin'ny fanabeazana azy izy fa mandeha foana, ka ny reniny no nitaiza azy mianadahy ireto. Tena niaina tao anatin'ny fahantrana sy ny fiafiana tanteraka izy telo mianaka tamin'izany. Indray andro, namangy azy ireo i Jean, ka naka azy mianadahy hanaraka azy any Guayaquil, any Équateur. Efa-taona no nitoeran'izy ireo tany. Voaantso ho any Panama indray i Jean ka najanony tao amin'ny nenitoany i Joanna fa i Martin kosa nentina niverina tany amin'ny reniny, tamin'izay fotoana izay no nanampy azy ny rainy tamin'ny fanomezana azy izay nilaina tamin'ny fanabeazana azy, na tsy teo an-toerana aza. Teo amin'ny faharoa ambin'ny folo taonany i Martin no nanomboka nianatra ny asan'ny barbier, sady mpitsabo ratra no nandidy tamin'izany fotoana izany. Tena mpianatr'asa nandray andraikitra sy nahay tokoa izy ary nafana fo, ka naleon'ny marary mankeo aminy noho izy mahay sy malefaka amin'ny fandraisana olona. Tsy mba nampadoa vola an'ireo mahantra izy, ary izy aza no manome ho an'izay mila izany. Niasa mafy i Martin, ary tena tia vavaka izy. Mifoha vao maraina izy, miandry eo am-baravaram-piangonana mba hamonjy ny Sorona Masina. Rehefa avy miasa indray dia mihidy ao an'efitranony izy mba hivavaka, ny masony mibanjina ny hazofijalina, ary mandritra izany dia mamaky boky masina samihafa izy.

Teo amin'ny fahenina ambin'ny folo taonany i Martin no niditra tao amin'ny fikambanan'ny dominikanina. Nifidy ny asa faran'izay ambany sy mafy indrindra izy, ary tamin-kafaliana sy tamim-panetre-tena no nanaovany izany. Ankoatra ny asa ao an-trano dia nikarakara ny marary ihany koa izy tany amin'ny hôpitaly. Mivavaka be ihany koa i Martin, manaja ireo olomasina rehetra izy, indrindra fa i Masina Maria izay nandaniany fotoana manokana ny fanajana azy, ary tsy adinony ihany koa, ary fotoana maro no laniny amin'ny fitsaohana ny Sakramenta Masina. Tao aorian'ny voadiny amin'ny maha relijozy azy dia nahazatra azy koa ny nampianatra ireo tanora sy ny miresaka azy ireo ny momba ny Vaovao Mahafaly. Nanangana trano i Martin mba hanabeazana ireo zaza kamboty mivenjivenjy tsy misy mpiahy teny an-tanana. Ary rehefa avy misakafo dia angoniny avokoa ny sakafo rehetra tsy misy mpihinana ka zarainy amin'ny mahantra, mitety tanana izy, rehefa avy misakafo. Indray andro, voan'ny pneumonie teny an-dalana ny arsevekan'i Mexico, Mgr Felician da Vega, nizotra ho any Lima izy ka rehefa tonga tao dia nangataka ny hositranin'i Martin, izy rahateo moa nahafantatra an'i Martin. Rehefa sitrana izy dia niangavy tamin'ny leiben'ny fikambanana mba hitondra an'i Martin hiaraka aminy. Nanaiky io, nefa ny taona 1639, mbola tsy niainga tao ihany. Tamin'io fotoana io dia voan'ny gripa mahery i Martin, ary nambarany tamin'ireo rahalahiny fa io ny aretina farana hahazo azy, ka dia ny 03 nôvambra izy no nodimandry. Maro ny olona tonga nanome voninahitra an'i Martin tamin'izany. Ny 29 ôktôbra 1837 ny papa Grégoire XVI no nanandratra azy ho olontsambatra, ary ny papa Jean XXIII no nanambara fa olomasina i Martin de Porrès tamin'ny 16 mey 1962.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...