20 ôktôbra — Niaina tamin'ny taonjato fahafito i Irène de Tomar na Irène du Portugal. Teraka tao Tomar tao Portugal izy ary kristianina mafana fo ny ray aman-dreniny. Nankinina tamin'ireo nenitoany, relijiozy, ny fanabeazana azy, dia i Julie sy i Chaste izany.

Mba hahatonga lafatra ny fanabeazam-pinoana dia nanapa-kevitra ny dadatoany, nantsoina hoe Silvio, lehiben'ny trano fitokana-monina teo akaiky teo, fa ankinina amin'i Rémi ny fitantanana am-panahy an'i Irène. I Rémi dia mpitoka-monina tao amin'io trano notantanan'ny dadatoany io. Tsara tarehy sy tia vavaka tokoa i Irène, ary tsy mba nivoaka tao an-trano izy raha tsy indray mandeha isan-taona monja, dia amin'ny fetin'i Masindahy Pierre, ary mandeha mitsidika fiangonana no ataony amin'izany.

Indray andro, tamin'ny fotoana nivoahany indrindra no nifanena tamin'ilay tompomenakely tao Nabância tao Portugal, antsoina hoe Berthold i Irène. Taitra tamin'ny hatsaran-tarehin'i Irène io lehilahy io ka raiki-pitia taminy. Nandraiky narary mihitsy ity tovolahy ity. Naheno izany i Irène ka nihaona tamin'io tovolahy io, ary nandresy lahatra azy fa efa nanolo-tena ho an'Andriamanitra izy ka hotehiriziny any am-pony izany fitiavana izany. Nisava ihany hatreo ny aretin'ity tovolahy, fa taty aoriana kely, dia ilay mpitantana azy am-panahy mihitsy indray no tratran'ny fakam-panahy ka latsaka tamin'ny faniriana lalina an'i Irène. Nolavin'i Irène izany, ka ny taona 653, mba hamaliany faty dia naelin'i Rémi eran'ny tanana fa hoe bevohoka i Irène. Tezitra mafy i Berthold raha vao nandre izany vaovao izany ka raha vao nahita an'i Irène nandohalika nivavaka teo amoron'ny reninranon'i Nabão izy, dia notrobarany ny sabatra i Irène ka natsipiny tany anaty rano.

Nisy anjely nanamboatra fasana ho an'i Irène tamni'zay, ka ny mahagaga dia afaka misintona io rano io ary azo atao ny mankeny amin'ny fasana, fa tsy azo atao ary tsy afaka atao ny mitondra ny vatan'i Irène miala eo amin'io fasana io. Noho izany dia ny sombin-dambany sy ny singam-bolony no nalaina natao reliques, nentina tany amin'ny chapelle nisy ilay dadatoany. Rehefa vita ny vavaka mandeha mankeny amin'ilay fasana misy an'i Irène dia mikatona indray ny rano ary manarona ilay fasana.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...