26 septambra — Teraka tamin’ny taonjato fahatelo tany Arabie tany Cilicie i Côme sy i Damien. Kristianina ny reniny. Voalaza fa kambana izy miralahy ireto. Manana zandry telo mirahalahy ihany koa izy. Nandalina momba ny fitsaboana tany Syrie i Côme sy i Damien.

Rehefa vita ny fianarany dia niverina tany amin’ny tany niaviany izy mba hitsabo. Tsy nandray tambiny izy ireo tamin’izany asa fitsaboana izany ka nomen’ny olona anaram-bositra hoe anargyres. Maro ny olona tonga tao amin’izy ireo. Ary rehefa tsy mety mandray vola izy dia toloran’ny olona zavatra hafa mba ho fankasitrahana azy ka tsy mandray mihitsy izy raha tsy hoe mety hisy voka-dratsy amin’ny fahasalaman’ilay olona tsaboiny ny tsy fandraisany an’izany fanomezana izany. Sady mitsabo aretim-batana i Côme sy Damien no nitsabo aretim-panahy ihany koa. Nampahiratra ny jamba, nampalady ny marenina, nampitsangana ireo malemy, nanasitrana ireo fanahy osa ary nanafaka ireo azon’ny demony.

Tsy tambo isainy ny olona tonga tao amin’izy roalahy ireo. Tamin’izany moa ny amperora Dioclétien, nanenjika ny kristianina ka namoaka adidy ny proconsul Lysias, préfet tao Cilicie mba hisambotra an’i Côme sy i Damien. Nasaina nanolotra sorona tamin’ny sampy izy fa nijoro hatramin’ny farany tsy nivadika tamin’ny fonoana na nampijaliana mafy aza. I Lysias mihitsy no nitarika ny fitsarana ka izy no namaoka didy hanameloana azy mirahalahy ireto : nodorana, nalentika anaty rano, nokapohina, farany notapahana ny lohany. Ary dia novonoina toy izany ihany koa ireo zandriny telo mirahalahy dia tsy iza izany fa dia i Antime sy i Léonce ary Euprepius izay nanara-dia azy mirahalahy ireto foana tamin’izay nalehany. Ny 27 septambra 1287 moa izay fotoana namonoana azy ireo izay. Dia mbola nitohy ireo fahagagana azon’ireo nangataka fahasoavana tamin’ny alalany tao aorian’ny nahafatesany ary niparitaka eran’ny fanjakana romanina ny fanajana azy ireo. Nentina tany Roma ny reliques ary napetraka teo amin’ilay tempoly izay novaina ho fiangonana taty aoriana ka nampitondraina ny anarana hoe Côme sy Damien. Ny karan-dohany izay navela tany amin’ny fingonana tatsianana dia nentin’i Guy sy Raoul de Scorailles tany Brageac nandritra ny ady ho an’ny Tany masina ary mbola voatahiry tao.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...