20 septambra — Koreanina i André Kim Teagon, izy moa no pretra voalohany tao Korea. Teraka tamin’ny taona 1821 izy ary maty martiry tamin’ny toana 1846. Avy amin’ny fianakaviana Yangban izy. Ignace Kim Che-jun no rainy, ary ireo ray aman-dreniny dia niara-nibebaka nanaraka ny finoana kristianina.

Ny rainy moa dia maty martiry tamin’ny taona 1839 ary nasandratra ho olomasina tamin’ny taona 1984. Raha hiverenantsika ny tantaran’i André Kim dia teo amin’ny fahadimy ambin’ny folo taonany izy no natao batemy ary tamin’izany no nandraisany ny anarana hoe André. Niofana sy nianatra tao amin’ny seminera tao Macao izy ary sivy taona tao aorian’izay dia nohamasinina ho pretra ny taona 1845 ka eveka frantsay no nanamasina azy tamin’izany, dia i Monseigneur Jean Joseph Ferréol. Niverina tany Korea izy avy eo mba hitory ny Vaovao Mahafaly. Tamin’ny nanjakan’i Joseon moa dia maro ny kristianina no nenjehina sy novonoina noho ny finoana. Teo amin’ny fahadimy amby roapolo taonany àry, ny taona 1846, nampijaliana sy notapahana ny lohany. Ny papa Joany Paoly II no nanandratra azy ho olomasina niaraka tamin’ireo martiry namany ny 06 mey 1984 tao Séoul fa ny papa Pie XI no nanambara azy fa olotsambatra talohan’izay ny 05 jolay 1925.

Marihana fa tamin’ny fanombohan’ny taonjato faha-17 no niorina ny ankohonam-piainana kristianinana voalohany tao Korea. Tena nafana fo tokoa izy ireo ary lahika no nitarika azy hatramin’ny taona 1836 izay fotoana nahatongavan’ny misionera frantsay antsokosoko. Mafy ny fanenjehana ny kristianina tao tamin’izany fotoana izany indrindra fa ny toana 1839, 1846, 1866 sy 1867. Anisan’ireo voaenjika tamin’izany André Kim Taegon sy Paul Zong Hazang, mpianany io, niaraka tamin’ireo martiry 101 hafa izay niara nasandratry ny papa Joany Paoly II ho olomasina ny 06 mey 1984 tao Séoul araka ny nambara teo. Marihana fa io lanonam-pivavahana fanandratana ho olomasina io no natao voalohany ivelan’i Vatican. Ireo 103 nasandratra ho olomasina tamin’io fotoana io dia nisy : evaka frantsay 3, pretra frantsay 7, pretra koreanina 1 i André Kim io, ary lahika koreanina 92. Samy martiry tany Korea avokoa izy ireo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...