16 septambra — I Masindahy Corneille dia zanak’i Castinus, fanta-daza tao Roma ny fianakaviana nipoiran’i Corneille. Tao aorian’ny nahafatesan’i papa Fabien ny 20 janoary 250 dia voafidy ho papa i Corneille, dimy ambin’ny folo volana tao aorian’io nahalasanan’ny papa Fabien io. Izany hoe ny taona 251.

Tsy nankasitrahan’i Novatien izany fifidianana izany ka nandefa taratasy tany amin’ny eveka afrikanina izy mba ho mailo, izy raha teo moa namorona antokom-piangonana manohitra an’i Corneille tao Roma. Nizara ny Fiangonana tao Roma tamin’izany satria i Corneille dia nanaiky ny fibebahan’ireo lavo tamin’ny fanenjehan’ny amperora Dèce ary nanohana azy tamin’izany i Masindahy Cyprien. Izay fifanohanana teo amin’izy roalahy izay no niteraka fifankahazoana am-po lalina teo amin’ny Corneille sy Cyprien. Ny taona 251 nisy konsilim-paritra tao Carthage ka tamin’izay no nandroahana an’i Novatien tsy ho isan’ny Fiangonana intsony. Nankatoavin’ireo eveka 60 nivory tao amin’ny konsilim-paritra tao Roma tokoa ireo fepetra ireo ka naelin’i Corneille, ary nenken’ny Fiangonana rehetra afa-tsy ny tao Antioche ihany. Nandritra izany fotoana izany ihany koa no nandrindran’i Corneille ny fiainan’ny pretra tao Roma sy ireo rafitra entina manao ny asa fitiava-namana. Ny faran’ny toana 252 namely ny fanjakana romanina ny areti-mifindra pesta ka nambaran’ireo tsy mpino fa ny kristianina no nanao izay nahatezitra an’Andriamanitra. Nenjehan’ny amperora Galus indray ny kristianina ka i Corneille no nosamboriny voalohany. Maro anefa ireo kristianina niaro an’i Corneille ka nanery ny mpitsara handefa an’i Corneille tany an-tsesitany tany Centumcellae Civitavecchia, tanana kely andrefan’i Roma. Tany izy no nodimandry ny volana jona 253. Ny 14 septambra 523 moa no nentina tany Roma i Corneille ary nalevina tao amin’ny fasan’i Masindahy Callixte.

I Cyprien indray dia teraka tao Carthage ny taona 200. Tsy mpino ny fianakaviany ary nanan-katao tokoa ny ray aman-dreniny. Mpikabary sy mpandaha-teny ary mpisolo vava no asan’i Cyprien. Fa tamin’ny taona 246 rehefa nidinika matetika tamin’i Cecilianus izy ary nahita ny fahamasinam-piainan’io lehilahy io sy naheno ny Soratra Masina ary ny soratr’i Tertulien izay nambara taminy ka nibebaka dia natao batemy. Nadio fitondra-tena i Cyprien ary nanome ny fananany maimaim-poana ho an’ny mahantra. Ny taona 248 izy no nohamasinina ho pretra ary herintaona tao aorian’izay no voatendry ho evaka tao Carthage. Nandritra ny 10 no nitondrany ny Fiangonana tao, nimasoany ny ezaka mba ho rain’ny Faingonana sy ny fankatoavana ny papa. Hainy ny mandresy lahatra, hany ka tsy azo hiadian-kevitra matetika ny zavatra lazainy. Ny taona 257 namoaka didy ny amperora Valérien mba tsy hanao ny asany ny eveka. Nanohy ihany anefa i Cyprien ary namoaka didy fanindroany indray ny amperora ny 258 mba hamonoana ny eveka sy ny pretra rehetra. Tonga tao Carthage ireo mpisambotra, ary nasainy nanamasina sampy i Cyprien. Tsy nanaiky izy ka teo ihany dia nihatra ny fanamelohana. Ka notapahany ny lohany ny 14 septrambra 258. Teolojianina i Cyprien ary noho ny fampianarany mandan-danja teo amin’ny Fiangonana dia nosokajiana ho isan’ny Aban’ny Fiangonana tandrefana izy. Maro ireo asa sorany, santionany amin’izany ohatra ny hoe : “De lapsis” na hoe “Ireo lavo”, “De Catholicae Ecclesiae unitate” na hoe “Ny firaisan’ny Fiangonana Katolika”. I Masindahy Cyprien moa no mpiaro voalohany an’i Afrika avatra.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...