04 septambra — Teraka tamin’ny taona 1140 i Rosalie, tompomenakely tamin’ny fotoana nanjakan’i Guillaume I ny rainy, taranak’i Charlemegne izy io. Ho fankasitrahan’ny mpanjakavavy Marguerite, vadin’i Guillaume dia nanolotra tany tao an-tendrombohitr’i Pellegrino akaik’i Palerme izy.

[audio src="/images/sounds/saint-20200904.mp3" background="#0099ffff"]

Teo amin’ny fahefatra ambin’ny folo taonany i Rosalie no nisintaka nankany amin’io tendrombohitra io mba hitoka-monina, hanao fibebahana sy asa fivalozana ary hivavaka. Nitoetra tany izy mandram-pahafatiny ny 04 septambra 1170. Ambaran’ireo mpanadalina ny tantara fa anisan’ny antony nahatonga azy hifidy ny hanirery ny fandosirana ny fanambadiana izay noman-drainy ho azy ka nolaviny. Ka na tany aza izy dia nifindrafindra lava-bato matetika mba tsy hisy hahita ary voalaza fa misy anjely manoro toerana azy amin’izany fiafenana izany.

Ny taonjato fahatelo ambin’ny folo dia efa nisy nanaja an’i Masimbavy Rosalie fa nihanitombo ny fanajana azy io tamin’ny fahitana ny reliques ny 15 jolay 1634. Nentina tao amin’ny katedraly tao Palerme io reliques io, ary ny lava-bato tao amin’ny tendrombohitra kosa dia lasa ivon-toerana fanaovana fivahinianana masina ka nanorenana sanctuaire izay maro mpamangy tokoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...