02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.

[audio src="/images/sounds/saint-20200902.mp3" background="#0099ffff"]

Rehefa niverina izy dia nandalo tao Roma ary nahazo alalana avy amin’ny papa hanorina fikambanana relijiozy mihiboka tao amin’ny fireneny. Ilay anadahiny nantsoina hoe Jean Olovson, Chevalier teutonique, no nanampy azy tamin’ny vola nentina nanorenana izany trano fitokana-monina ho an’ny fikambanana relijiozy mihiboka izany. Notokanana ny 15 aogositra 1281 tao Skänninge tao Suède io trano fitokana-monina io. Indrisy anefa fa herintaona tao aorian’izay dia nantsoin’ny ray hody handray ny valisoany any amin’ny mandrakizay i Ingrid ny 02 septambra 1292.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...