31 aogositra — I Raymond Nonnat resahana amin’ity fanio ity indray dia teraka ny taona 1204 tao Portell tao Catalogne. Maty teo am-piterahana an’i Raymond ny reniny, ka izany no nahatonga ny anaram-bositra hoe Nonnat izany hoe "non natus" izay midika hoe tsy teraka.

Mbola tanora izy no niditra tao amin’ny fikambanan’ny Ordre de la Merci naorin’i Pierre Nolasque. Nohamasinina ho pretra ny taona 1222. Hatramin’ny 1231 dia nanokan-tena ho an’ny fanavotana ireo babo izy araka ny fiantsoana ao amin’io fikambanana io. Nanafaka olona 140 àry izy tao Valence tamin’ny 1226, 250 tany Alger ny taona 1229, ary 228 tany Tunisie heritaona tao aorian’io.

Tsy dia nanam-bola andoavana ny vidin’ireo andevo ireo i Raymond fa ny tenany mihitsy no nataony takalo hanavotana ireo kristianina voafonja. Nandritra ny valo volana izy no nofatorana tamin’ny vy mandram-pahatonga ny vola atao takalony avy any amin’i Pierre Nolasque. Avy eo izy nisolo tena ny fikambanana tany Roma, ary nitety firenena maro mba hitory ny Vaovao Mahafaly tamin’ny ady masina. Tonga tany France i Raymond avy eo ny toana 1235 araka ny baikon’i papa Gregoire IX izay nanome azy andraikitra hampirisika an’i Louis IX ho any amin’ny Tany Masina. Nodimandry ny 26 aogositra 1244 i Raymond tao Portell, tao amin’ny tany nahaterahany ihany io, nefa izy iraky ny papa tany Espagne tamin’izany fotoana izany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...