03 aogositra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Lydie avy any Grèce, Asie izy ary nitoetra tao Phillipie. Tao amin’ny seranana atao hoe Égée no nivaro-damba sy nivaro-jaky, ary teo no nifankahitany tamin’i Masindahy Paoly sy i Masindahy Lioka ary i Silasy araka ny voalazan’ny Asan’ny Apôstôly 16, 14-15.

[audio src="/images/sounds/saint-20200803.mp3" background="#0099ffff"]

Raha hiverenantsika kely io ambaran’ny Asan’ny Apôstôly io dia hoe “Nisy vehivavy anankiray tamin'izy ireo atao hoe Lidia mpivaro-jaky, avy any an-tanàna Tiatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra ; nihaino anay izy, ary nosokafan'Andriamanitra ny fony mba hitandrina izay nolazain'i Paoly. Ary rahefa vita batemy izy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka taminay izy nanao hoe : Raha mba ataonareo ho mpanompon'Andriamanitra koa aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao. Nanaovany lemozy mihitsy izahay”. Izay no hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apôstôly. Noheverina moa fa ireo mpivaro-jaky tao Thyatire ireo no voalohany nino ny Evanjely tao amin’ny io tanana io tao aorian’ny fampianarana sy ny asa fitoriana nataon’i Masindahy Paoly sy ireo namany. Marihana ihany koa fa tokony ho tamin’ny taona 50 na teo anelanelan’ny taona 55 no nodimandry i Masimbavy Lydie. Mahatsiaro sy mankalaza ity olomasina ity koa moa ny Fiangonana Tatsinanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...