01 aogositra — Teraka ny 27 septambra 1696 tao Naples i Alphonse. Marie Antoine Jean Côme Damien Michel Gaspard de Liguori no tena anarany. Manamboninahitra tantsambo ny rainy, ary taranaka espagnol ny reniny.

Lahy matoan’ny fianakaviana izy ka fanantenan’ny ankohonany, marani-tsaina tokoa i Alphonse ka tena namiratra tamin’ny fianarana nataony. Tia zava-kanto izy, indrindra fa ny mozika. Tsy mba nankany an-tsekoly i Alphonse tamin’ny nianatra fa nakana mpampianatra tao an-trano. Teo amin’ny faha-16 taonany, ny 21 janoary 1773 no nanomboka nandalina ny lalana izy na dia 20 taona aza vao mahazo mianatra izany. Ary vao 19 taona monja izy dia efa mpisolovava tao amin’ny fitsarana. Nandritra ny folo taona nanaovany izany asa izany dia modely ho an’ny kristianina i Alphonse. Ary tena nahomby tokoa izy teo amin’ny asa nosahaniny amin’ny maha mpisolovava azy.

Kristianina tena matotra tokoa ireo ray aman-drenin’i Alphonse ary isan-taona dia miara-manao laretirety amin’ny rainy i Alphonse. Taminy taona 1722, 26 taona izy tamin’izay, no nanomboka tena nifanerasera tamin’ny fiainan’izao tontolo izao, ka somary nanadino ny vavaka sy ireo fombam-pivavahana fanaony. Ary indray andro raha resy teo amin’ny fitsarana izy dia hoy izy hoe : “Izao tontolo izao, fantatro ianao, mandehana fa tsy ho azonao intsony aho”. Fotoana fony tao aorian’izay dia naheno feo izy hoe : “Avelao any izao tontolo izao, atolory ahy manontolo ny fiainanao”. Namaly tamin-dranomaso i Alphonse nanao hoe : “Andriamanitra ô, Inty aho ataovy izay tianao atao amiko”. Lasa àry izy nandray ny akanjo maha pretra ary nandalina ny teôlôjia, ka telo taona tao aorian’izay izy no nohamasinina ho mpisoron’ny avo indrindra. Izany hoe ny 21 desambra 1726. Nanao asa pastôraly tany ambanivohitra izy ary tany no nanorenany ny fikambanan’ny pretra relijiozy Rédemptoriste. Nankahalain-drainy izy tamin’izany satria maro ireo niheritreritra ny hanambady azy nefa nolaviny, ary maro koa ireo olona nandao an’i Alphonse sy nanenjika azy. Nozakainy izany fijaliana tao anatiny izany. Maro ny fisehoan’i Masina Maria taminy, indray andro ohatra, raha nanao ny fampianarana momba ny voninahitr’i Maria izy dia nahita azy nanjelanjelatra teo anoloany teo. Marihana fa ny taona 1762 izy no nohamasinina ho eveka izany hoe tamin’ny faha-46 taonany. Ary nodimandry ny 01 aogositra 1787 teo amin’ny faha-91 taonany. Ny papa Pie VII no nanandratra azy ho olotsambatra tao Roma ny taona 1816 ary ny taona 1839 izy no nambaran’ny papa Gergoire XVI fa olomasina. Ny taona 1871 no nambara am-pahibemaso ho ren-tany sy ho ren-danitra fa mpampianatry ny Fiangonana i Alphonse de Liguori. Izy no olomasiana mpiaro ireo teôlôjianina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...