Arahabaina manokana ireo mitondra ny anarana hoe Sylvestre amin'ity faran'ny taona ity satria i Masindahy Sylvestre no tsaroana ny 31 desambra. Teraka tamin'ny taona 280 i Sylvestre. Mpisorona ny rainy, Rufinus no anarany, ary i Justa kosa no reniny. Romanina izy ireo. Ary nankinin'ny reniny tamin'ny mpisorona natao hoe Cyrinus ny fitaizana azy.

Tsy isalasalana fa tsara fitondran-tena i Sylvestre nandritra ny fanenjehana nataon'i Dioclétien. Rehefa nahafeno ny taona nahafahany nitantana ny fananany dia nahafinaritra azy ny mampiantrano ireo kristianina vahiny mandalo tao Roma: ampandrosoiny ao an-trano, sasany tongotra, omeny sakafo ary omeny izay ilaina rehetra amin'ny fiantrana sy fitiavana amin'ny anaran'i Jesoa Kristy.

Indray andro nisy kristianina avy any Antioche, nantsoina hoe Timothée. Tsy nisy sahy nampandroso azy ny olona fa noraisin'i Sylvestre ho voninahitra lehibe ny nampiantrano azy. Nandritra ny herintaona dia nitory an'i Jesoa Kristy tamin-kafanam-po tsy hay lazaina i Timothée. Maro ireo olona nibebaka tamin'izay, farany, namoaka didy i Tarcinius, Préfet tao an-tanàna mba hanampahana ny lohan'i Timothée. I Sylvestre no nitondra ny vatana mangatsiakan'i io martiry io, nampian'ny Papa Melchiade, ary izy ireo no nandevina azy tao akainin'ny fasan'i Masindahy Paoly.

Nosamborin'i Tarcinius koa i Sylvestre tamin'izay ary nendrikendrehany fa nivarotra ny fananan'i Timothée. Fa hoy i Sylvestre: "Tsy namela lova tamiko afa-tsy ny finoana sy ny herim-pony izy". Nasaina nandà ny finoana i Sylvestre fa tsy nanaiky, norahonana hofaty izy ary nampidirina an-tranomaizina. Tamin'ny fotoana nampidirana azy am-ponja dia hoy i Sylvestre: "Tsy misy dikany izao satria ianao ihany rahalina no hitatitra izao any amin'Andriamanitra". Ny alin'io tokoa dia nahatelina taolan-trondro ilay mpanenjika azy ka maty. Natahotra ny fitsaran'ny lanitra ireo mpampijaly ka nanafaka an'i Sylvestre.

Io toe-panahin'i Sylvestre io no nahatonga ny Papa hanamasina azy ho pretra, ary taorian'izay dia izy no nandimby ny Papa Melchiade. Nandritra ny 22 taona i Sylvestre no teo amin'ny Fiketrahana masina, ka isan'ny nampalaza azy ny Konsily tao Nicée sy ny batemin'ny Amperora Constantin, antsoina hoe Lehibe, nanjaka tamin'ny taona 306 hatramin'ny taona 307. Nanenjika ny mpino kristianina io Amperora io izay mpanompo sampy tokoa tamin'izany. Voan'ny habokana izy nanerana ny vatany. Indray alina, niseho tamin'i Constantin tao anatin'ny hazavana manjopiaka i Masindahy Piera sy Paoly ary nanome baiko azy hiantso ny Papa Sylvestre fa izy no hanasitrana azy amin'ny alalan'ny batemy. Nampianatra azy ny Papa ary nanao batemy azy. Nanomboka teo dia nalalaka ny fitoriana an'i Jesoa Kristy tao amin'ny fanjakan'i Constantin. Nitondra soa ho an'ny tontolo ny fibebahany.

Nanamarika ny fiainan'i Masindahy Sylvestre ny fikarakarana ny mahantra, maro ny fitsipika navoakany toy:

  • ny fitondran'ny pretra sy ny diakra ny "colobium", akanjo lava tsy misy tànany;
  • ny nanovana ny anaran'ireo sampy teo amin'ny tetiandro ho lasa fankalazana teo amin'ny Fiangonana;
  • ny famaritana ireo andro fifadian-kanina.

Nodimandry ny 31 desambra 335 ny Papa Sylvestre ary nalevina tao amin'ny fasan'i Masimbavy Priscille ao amin'ny Via Silaria.

Ny hoe "sylvestre" dia avy amin'ny teny latinina hoe "silvestris" midika hoe "avy amin'ny ala". Ireo Sylvestre dia olona tia mitoetra irery, matanjaka sy manana toetra miavaka. Tia tena izy ireo, tsy mahari-pery fa mafana fo kosa rehefa manao zavatra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...