15 jolay — Jean Fidanza no tena anaran’i Bonaventure, teraka ny 1221 tao Bagnorea (Bagnoregio) akaikin’i Viterbe. Mbola zaza izy no narary mafy ka nivavaka ny reniny, nitalaho tamin’ny vavak’i Masindahy François. Sitrana soamatsara izy tamin’izany.
Nanomboka nianatra tao amin’ny trano fitokana-monina tao Bagnorea izy ary niditra tao amin’ny novisia, ka tao no nandraisany ny anarana hoe Bonaventure. Novisia tao amin’ny Ordre des Frères Mineurs tamin’ny taona 1243. Nandalina ny teôlôjia sy ny Soratra Masina tao Paris izy. Ny taona 1248 hatramin’ny 1257 dia nampianatra tao amin’ny collège franciscain tao Paris izy niaraka tamin’i Thomas.
Tamin’ny chapitre tao Roma dia voafidy ho ministre général-n’ny fikambanana izy ny 02 febroary 1257 ary nanohy izany hatramin’ny 1273. Ny taona 1260 izy nandritra ny chapitre tao Narbonne no namoaka ny fitsipiky ny fikambanana. Ny 02 novambra 1265 notendrin’ny papa Clement IV ho arseveka tao York izy, fa nataony izay ialana tamin’izany. Ny taona 1271 àry, tao Viterbe, no notendren’ny papa Gregoire IV izy ho kardinaly tao Albano ary nirahana ho légat nandritra ny konsily tao Lyon. Ny 14 jolay 1274 moa izy no nodimandry.
Nametraka sangan’asa malaza i Bonaventure izay niompana indrindra amin’ny aim-panahy fransisikanina ny amin’ny maha olombelona an’i Kristy. Ny fanirina lalina amin’ny firaisana amin’Andriamanitra eto no manazava ny tontolo nohariany. Izy moa dia isan’ireo malaza amin’ny fandalinana ny hevitr’i Masindahy Augustin ary nametraka ny foto-kevitra momba ny lalana hizoran’ny fanahy mankany amin’Andriamanitra. Fantatra amin’ny docteur séraphique azy i Bonaventure.