13 jolay — I Henri dia teraka tamin’ny taona 973 tao Abbach tamin’ny fotoana nahalasanan’i dadatoany Othon le Grand mpanorina Saint-Empire Romain Germanique. Lahy matoa amin’ny zaza efatra naterak’i Henri le Querelleur, duc de Bavière sy i Gisèle de Bourgogne vehivavy hendry sy tia vavaka.

Nobeazin’ny reniny tamin’ny hatsaram-panahy sy vavaka dieny mbola kely i Henri. Nankininy tamin’ny chanoines tao Hildesheim ny fanabeazana azy. Avy eo tamin’i Masindahy Wolfgang, bénédictin mpitory ny Vaovao Mahafaly tao Hongrie, ary lasa eveka tao Ratisbonne. Rehefa maty ny rain’i Henri ny 28 aogositra 995 dia voafidy izy ka nankatoavin’ny mpanjaka izany. Tamin’ny 996 izy no niaraka tamin’ny Otton III tany Italie mba hamonjy ny papa izay nifanandrina tamin’ny Romanina mpikomy. Fotoana kely tao aorian’izay, nanambady an’i Cunégonde tao Luxembourg izy. Rehefa maty i Otton III ny 23 janoary dia voafidy ho mpanjaka tao Germanie i Henri ary tany Mayence no nandray ny fanosorana azy tamin’izany.

Nampandry tany tany Italie izy ary lasa amperora ka ny 4 febroary 1014 no nandraisany ny satro-boninahitra maha amperora azy, teo amin’ny kianja malalak’i Masindahy Pierre tao Roma tamin’izany fotoana izany. Araka ny fangatahan’ny papa Benoît VIII dia nidina tany atsimon’i Italie izy ary nampihorohoroin’ny byzantin. Nankao Bénévent izy nihazo an’i Capoue ary tany Mont Cassin. Avy eo niverina tao Allemagne rehefa avy nandalo tao Roma. Narary izy tamin’ny fanomboan’ny taona 1024 nefa afaka nankalaza ny paka tao Magdebourg ihany. Nijanona tao Goslar ny avrily hatramin’ny volana jiona avy eo niakandrefana ary nodimandry tao Grona. Tao amin’ny katedraly Bamberg moa no nalevina i Henri.

Ny papa Eugène III no nanandratra an’i Masindahy Henri ho olomasina. Izy no nampiroborobo ny monachisme, izany hoe fiainan’ny mpitoka-monina ka nidinika tamin’ny mpanjaka tao France, Robert le Pieux mba hiroso amin’ny fanavaozana ny fifidianana ny papa. Nandritra ny fianany i Henri dia nafana tamin’ny fanavaozana ny Fiangonana. Izay no nahatonga azy nitarika ny sinaody maro amin’ny fampiharana matotra ny fitsipi-dalana sy ny fanamelohana ireo mpanohitra. Malina amin’ny fanononana evaka mendrika ny asany izy. Nanabe voho ny trano fitokana-monina izy ary tsapan’ny rehetra ny fahamasinam-piainany, voalaza fa niaro ny fahadiovan’ny fanambadiany i Henri. Ny vadiny moa i Cunégonde dia nasandratry ny papa Innocent III ho olomasina.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...