25 jona — Teraka tao Aquitaine i Prosper tamin’ny taona 390, mpianatr’i Masindahy Augustin d’Hippone izy. Tsy pretra izy, tsy martiry ary tsy nanao fahagagana fa ny tena nahafantarana azy dia ny ady ara-pinoana nataony niady tamin’ireo pélagiens.
Noheverina fa tany Marseille izy no nandrato fianarana satria tany izy no namarana ny fianarany ny taona 420, izay fotoana nisehoan’i Jean Cassien sy ireo mpitoka-monina niaraka taminy, ka nanohitra ireo asa soratry ny mpanara-dia an’i Masindahy Augustin momba ny fahasoavan’Andriamanitra. Io firona-kevitra io moa no nantsoina tamin’ny taonjato faha-16 hoe semipélagianisme. Ny taona 429 i Prosper no nifandray an-tsoratra tamin’i Augustin momba an’io lohahevitra nifanolanana io. Marihina fa mbola tsy nihaona mihitsy izy roalahy ireo. Ny taona 440, taona voalohan’ny fiketrahan’ny papa Leon I dia nalainy ho mpitantsoratra i Prosper.
Ny fiainan’i Prosper dia hatramin’ny 455 no fantatra ; fa araka ny filazan’ny mpahay tantara iray antsoina hoe Marcellin dia mbola niaina izy tamin’ny taona 463. Ka izay no mahatonga ny mpahay tantara sasany milaza fa ny taona 466 i Prosper no nodimandry.
Lahika i Prosper fa dia tsy nikely soroka sy nafana fo izy tamin’ny fanapariahana sy fiarovana ny foto-kevitr’i Augustin. Maro ireo asa sorany fanta-daza mampihely ny fampianarana momba ny fahasoavan’Andriamanitra araka ny fampianaran’i Masindahy Augustin. Ohatra amin’ireo sangan’asany ireo ny "Adversus Ingratos", tononkalo nosoratany tamin’ny taona 430 izay nanohitra ny pélagiens. Ny “De gratia Dei et libero arbitrio” tamin’ny taona 432 maneho ny heviny hoe ilaina ny fahasoavan’Andriamanitra, nosoratany nandritra ny nahateo amin’ny Fiketrahana Masina ny papa Sixte III, namaliany amin’ny antsipiriany ny ireo nambaran’i Jean Cassien tao amin’ilay “Collatio”.
Teo ihany koa ny “Capittula” nanomezan’i Prosper ireo hevitra folo momba ny fampianarana manantitrantitra ny fahombiazana sy ny maha sarobidy ny fahasoavan’Andriamintra, nosoratany teo anelanelan’ny taona 435 sy 450 teo ho eo. Teo ihany koa ilay boky milaza hoe “De vocatione omnium gentium”, antso ho an’ny olona rehetra, nosoratany tamin’ny taona 450. Ity asa soratra ity moa dia nanandramany nanambara ny sitrapon’Andriamanitra izay maniry ny havonjy ny olona rehetra sy ny fampianarana momba ny fahasoavan’Andriamanitra araka an’i Masindahy Augustin. Nisy ihany koa asa sorany momba ny tantaran’izao tontolo izao sy ny sehatra pôlitika nandritra ny vanim-potoana 379 hatramin’ny 455 izay nanehoany amin’ny antsipiriany ny zava-misy teo amin’ny fiainana pôlitika, ary nomarihany teo amin’izany ihany koa ireo fanoherana tamin’ny pélagiens io moa ilay boky nantsoina hoe “Epitoma Chronicon”.