22 jona — Teraka tamin’ny taona 353 tao Bordeaux i Masindahy Paulin, Meropius Pontius Paulinus no tena anarany, zanak’olona manam-boninahitra sy mpanefoefo izy, nanana tany maro tany Italie, Aquitaine sy Espagne izy ireo. Poeta iray antsoina hoe Ausone fanta-daza tamin’izany fotoana izany no nampianatra an’i Paulin ary dia lasa mpandaha-teny sy mpanoratra tena nikoizana koa izy.

Io talentany io ihany koa no hareny, ary ny toe-panahy nanany no nahatonga azy manam-boninahitra teo amin’ny fanjakana. Ka ny taona 378 dia lasa Consul izy. Toa an-dry Masindahy Ambroise de Milan dia nikatroka teo amin’ny sehatra politika i Paulin izay vao lasa pretra. Talohan’ny naha pretra azy mantsy dia nanambady an’i Theresia izy, teo amin’ny faha-24 taonany. Kristianina mafana fo io vadiny io, ary izy io no nampiova an’i Paulin tsikelikely tamin’ny finoana marina ka nitarika azy hiroso hanao ny Batemy. Ny fifandraisany tamin’i Masindahy Martin de Tours no nahasitrana ny areti-masony tamin’ny fomba mahagaga ka nahatonga azy hitodika amin’ny hatsaran’ny fiainana kristianina. Rehefa nandray ny Batemy i Paulin dia nahatsiaro fiadanana izay efa notadiaviny hatramin’ny ela, ny fahafatesan’ilay zanany kely antsoina hoe Celcus ihany koa no nahatonga azy hankahala ny haren’izao tontolo izao.

Rehefa tapa-kevitra áry i Paulin, fa tsy hifikitra amin’ny fiainan’izao tontolo izao, dia nifanaraka tamin’ny vadiny izy, ka lasa nitoka-monina. Tsy neken’ny mpiara-monina taminy izany indrindra moa fa i Ausone, ilay mpampianatra azy, fa dia lasa ihany izy nanatanteraka izay fanapahan-kevitra noraisiny izay. Nozarainy tamin’ny mahantra ny fananany ary nino izy fa ny tena mpanankarena dia izay matoky an’Andriamanitra, fa tsy ireo matoky ny tany, ary izay manana an’i Jesoa ho ambony noho izao tontolo izao. Lasa àry i Paulin nitoka-monina tany Nole akaikin’ny fasan’i Masindahy Felix tao Campanie.

Nohamasinina ho pretra izy ny taona 393 ary nanorina trano fitokana-monina tao. Izy moa tamin’ny fotoana mbola naha governora azy dia efa nanangana trano fitsaboana tao amin’izany toerana izany. Ny taona 409 nofidian’ny vahoaka tao Nole ho eveka izy, ary fanta-daza amin’ny fandraisany andraikitra amin’ny fanampiana olona. Ohatra amin’izany vehivavy mananon-tena mana-janaka lahy tokana, nentin’ireo baribarianina hiditra am-ponja io zanany io, nanatona an’i Paulin àry ilay ramatoa, niangavy mba hamerenana ny zanany, dia hoy i Paulin hoe tsy manam-bola aho fa ny tenako no atolotra atakalo azy, toa tsy nino ilay vehivavy. Dia lasa tokoa i Paulin niaraka tamin’ireo voafonja nakany Afrika ka nisolo toerana ilay zazalahy. Gaga tamin’ny hatsaram-panahiny sy ny toetran’i Paulin ilay tompony, ka rehefa nanadihady teo izy dia voatery tsy maintsy nilaza ny marina. Taitra ireo baribarianina tamin’ilay hoe eveka no nobaboiny, ka voatery nanafaka azy sy ireo voafonja iray fiaviana taminy. Hafaliana moa no nandraisan’ireo mponina tao Nole an’i Paulin sy ireo mpiara-dia taminy.

Marihina fa mbola misy voatahiry ireo tononkalo nosoratan’i Masindahy Paulin de Nole, miisa 35 izy ireo, ary misy ihany koa taratasy 49 maneho ny fitiavam-bavaka sy ny fihetseham-pony amin’ny maha mpanoratra azy. Ny taona 431 no nodimandry tao Roma i Masindahy Paulin.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...