20 jona — I Masindahy Silvère no papa faha-58. Teraka tao Frosinone tao Campanie i Silvère, zanak'i Hormisdas. Voafidy ho papa ny 01 jona 536 izy, ary napetraka teo amin'ny Fiketrahana Masina ny 08 jona 536. Nanao ny andraikitra naha papa hatramin'ny 11 nôvambra 537 i Silvère. 19 ireo eveka nohamasininy nandritra izany naha papa azy izany, 13 ny pretra ary 5 ny diakra nametrahany tanana.

Toerana samy hafa no nanaovany ireo fanamasinana ireo. Ny 08 jona 536 no napetraka teo amin'ny Fiketrahana maha papa azy araka ny efa nambara teo ka i Théodat mpanjakan'ny Goths no nanatanteraka izany. Tsy nisy nanatrika na ny pretra na ny vahoaka. Noraisin'i Chlidebert sy i Clotaire tamin'ny Ostrogoths i Provence tamin'izany, ary i Tibère I kosa nandrava an'i Italie. Ny 09 desambra 536, naka an'i Rome tamin'ny Ostrogoths tamin'ny alalan'ny amperora Justinien ny Général Bélisaire Byzantin. Nalaim-panahy hiverina haka ny tanana ny mpanjaka Ostrogoth Vitigès tamin'io foana io. Tamin'izay dia notoriana ny papa Silvère fa hoe nanoratra tany amin'i Vitigès ary namadika an'i Rome, nisy nilaza fa izy no namela ny varavarana iray tao amin'ny tanana hisokatra mba ahafahan'ny Goths miditra ao an-tanana. Tamin'izany fotoana izany koa ny papa Silvère dia nanohitra ny famerenana an'i Anthimus, patriarka tao Constantinople, izay resy lahatra tamin'ny fampianaran-dison'ny monophysite. Nakahalain'i Théodora, vadin'ny amperora izy noho izany satria ity Théodora ity dia tena resy lahatra tokoa amin'io fampianaran'ny monophysite io.

Ny 29 marsa 537 àry, vokatry ny fanendrikendrehana an'i Silvère ho mpamadika an'i Rome, dia naaton'i Bélisaire ny maha papa azy, araka ny baikon'i Théodora. Nampanao fifidianana vaovao ny vadin'ny amperora ka i Vigile no nasolo an'i Silvère. Nalefa sesitany tany Pandataria i Silvère, tao izy no nampian'ny eveka izay nankany amin'ny amperora nilazalaza ny zavatra misy. Rehefa hitan'ny amperora Justinien I fa nanana ny rariny i Silvère dia naveriny tany Rome. Ny 21 nôvambra 537, nalefa sesitany tany amin'ny nosy kely toy ny tany efitra tany Palmarola izy, ary tany izy no nodimandry. Matin'ny hanoanana ny 20 jona 538. Araka ny voalaza ao amin'ny Liber pontificalis dia nalevina ao amin'io nosy io ihany izy, ary maro ireo olona no tonga nanaja azy tao amin'izany fasana izany, mangata-bavaka aminy. Araka ny voarakitra ao amin'ny asa soratr'i Dom Guéranger ao amin'ilay boky hoe "L'année liturgique" tamin'ny taona 1861 hatrami'ny taona 1866, dia nentina tany Rome ny taolambalon'i Silvère ary napetraka ao amin'ny bazilikan'i Vatican. Maro ny fahagagana azo tamin'ny vavaka nangatahana ataony. Nosokajiana ho martiry i Masindahy Silvère ary tamin'ny taonjato fahasivy ny anarany no hita voalohany tao amin'ny listry ny olomasina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...