13 jona — I Masindahy Antoine de Padoue dia i Fernando Martins de Bulhões no tena anarany. Fa ny anarana hoe Antoine dia tamin’izy tao amin’ny tranon-drelijiozy. Teraka tamin’ny taona 1915 tao Lisbonne i Antoine. Miaramila sady andriana moa ny rainy, taranak’i Charlemagne.

Mbola tanora i Antoine dia efa niditra tao amin’ny fikambanana Saint Augustin. Avy eo izy nianatra tany Saint-Vincent de Fora ka nanohy an’izany tao amin’ny trano fitokana-monina tao Sainte-Croix de Coïmbre. Nahomby tokoa izy tamin’izany fianarana sy fiofanana izany. Tao izy no nohamasinina ho pretra. Tamin’ny taona 1220, ny famindrana ny sisa taolan’ireo fansiskanina maty martiry tany Maroc ho any Portugal no nanaitra an’i Antoine ka nahatonga azy nanaraka an’i François d’Assise, ka nandraisany ny anarana hoe frère Antoine. Nandeha nanao iraka tany Maroc àry izy fa faniriany izany, ny taona 1221 izy dia niverina nody tany Europe noho ny tsy fahasalamany. Nandalo tany Sicile izy ka nahita ireo fransiskanina tao Messina. Nandray anjara niaraka tamin’i François d’Assise tamin’ny Chapitre general ny 31 mey 1221 izy. Avy eo nandeh nitoka-monina tany Montepaolo.

Tamin’ny taona 1222, nisy fanamasinana pretra tao amin’ny fikambanana, tsy nahomana toriteny ilay namany ka i Antoine no nasaina nandray ny fitenenana. Akory ny hahagagan’ny mpihaino tamin’ny fahaizany nandaha-teny. Nalefan’i François d’Assise nitoriteny tany Italie izy ary tany France avy eo. Dia notohizany izany dia amin’ny fitorian-teny izany, sady nampianatra teôlôjia ihany koa izy tany Bologne avy eo nankany atsimon’i France tany Toulouse ary tany Montpellier. Izy irery no navelan’i Masindahy François d’Assise nampianatra tamin’izany fotoana izany tamin’ireo iray fikambanana taminy. Maro ny olona nibebaka noho ny asa nataon’i Masindahy Antoine, ary nitombo izany tao Brive, toerana nanorenany trano fitokana-monina. Ny fahaizany tsy hay tohaina ny Soratra Masina no namomezan’ny olona azy ny anarana fiantsoana hoe “rakitra velon’ny Baiboly”, anarana nomen’ny papa Gergoire faha IX azy no sady sady lalaina fatratra.

Tao aorinan’ny nahafatesan’i Masindahy François d’Assise dia niandraikitra ny faritra Italie avaratra izy ary notohizany hatrany ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Ny 1231 nandritra ny fivoriam-be no nanambarany ny fijanonany amin’ny maha lehiben’ny faritany azy. Nalefa tany Roma izy ka lasa mpanolo-tsain’ny papa Gregoire faha IX. Ny 1231 izy no nalefa tany Padoue nanohy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Ny 13 jona 1231 no nodimandry tao Arcella, akaikin’i Padoue. Na dia folo taona monja aza i Antoine no nitory ny Tenin’Andriamanitra dia tsy lefy laza hatram’izao fotoana izao ny hatsaram-panahiny. Iraika ambin’ny folo volana tao aorian’ny nahafatesany no nambara fa olontsambatra izy, izany hoe ny taona 1232, ary nambaran’ny Fiangonana ihany koa fa Mpampianatra lehiben’ny Fiangonana izy ny taona 1946.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...