23 mey — I masindahy Didier dia avy au Autun ary voatendry ho eveka tao Vienne tamin'ny 595. Tamin'izany fotoana izany dia ny mpanjakavavy Brunehaut na Bruehilde no nitondra an'i Austrasie, satria mbola tsy ampy taona ny zafikeliny izay handimby eo amin'ny fitondrana.

Ratsy toetra sy ratsy fitondran-tena tokoa ity mpanjakavavy ity, ka tsy sasatra i Didier, eveka ny manakiana sy mampieritreritra azy amin'izany tsy rariny sy toetra ratsy ataony teo amin'ny fitondrana izany. Mba hampanginana an'i Didier, dia niantso Kônsily i Brunehaut tao Chalon, Bourgogne, ka tamin'io no niampangana azy ho nanolana tovovavy nantsoina hoe Justin, io tovovavy io dia mpiasa tao amin'ny lapa nisy ny mpanjakavavy Brunehaut, ary nampijoroana ho vavolombelna mihitsy mba hiampangana an'i Didier, evekan'i Vienne tamin'izany fotoana izany. Nalefa sesitany i Didier, ka telo taona tao aorian'izay, rehefa maty ireo olona niampanga dia naverin'i Brunehaut hiverina tao an-tanana indray i Didier. Tsy nitsahatra anefa ity eveka ity namotsipotsitra ny tsy nety nataon'i Brunehaut, indrindra tamin'izany ny famonoana olona sy ny tsidrihazolena. Hany herin'ity mpanjakavavy ity dia naniraka miaramila mba hitora-bato azy tao amin'ny katedraly ary ka vokatr'izany tora-bato izany i Didier.

Io toerana namonoana an'i Masindahy Didier io ilay nantsoina hoe Saint-Didier-sur-Chalaronne, ny Fiangonana ao Varepe dia nampitondra ny anaran'i Didier ny fiangonana maro ao Isère. Ary ny sary hamantarana an'i Masindahy Didier dia lehilahy iray mitondra ny palme famantarana ny martiry ary misy anjely roa mitondra boky eo anilany, dia hita hiany koa ny mitondra tehina sy satroka manamarika ny maha eveka sy ny ma ampiandry ondry ary ny maha mpampianatra azy.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...