10 mey — I Masimbavy Solange dia teraka tao amin'ny tanànan'i Saint Martin du Crot, ao Berry, ary tao ihany izy no maty ny 10 mey 878. Ny nandaniany ny androm-piainany dia niandry ny ondrin'ny rainy sy nivavaka tamin'izany andro izany.

Rehefa niha-lehibe izy dia nitombo endrika sy hatsaran-tarehy, ka raha izy teny an-tsaha iny dia naka an-keriny azy tamin'ny soavaly ny zanaky ny compte tao Poitiers, tsy iza moa io fa i Bernard de Gothie. Nanohitra i Solange ka samy latsaka avy eny ambony soavaly izy roa, ary niara-nianjera tao anaty rano. Tezitra ary ity tovolahy ka nasainy notapahina ny lohan'i Solange. Ambaran'ny lovan-tsofina fa niantso an'i Jesoa in-telo ny lohan'i Solange, ilay tapaka iny, ary noraisin'ny vatany io lohany io ka napetrany teo amin'ilay toerana izay nanorenana chapelle ankehitriny. Voalaza ihany koa, fa fony fahavelony rehefa mamindra i Solange amin'ny alina dia misy kintana eo amboniny, ary amin'izay izy dia manana fanomezam-pahasoavana amin'ny fandroahana ireo ratsy toetra, sy manasitrana ny marary.

I Masimbavy Solange no olomasina mpiahy sy mpiaro ny faritanin'i Berry teo aloha. Taloha tamin'ny fotoan-tsarotra dia nafindra tany Bourges ny reliques an'i Masimbavy Solange, ka dia mivavaka no nitondrana azy, izay nanaovana fankalazana lehibe. Voatazona hatrany moa io fomba io ka isan-taona dia misy ny fanamarihina izany fety izany.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...