22 aprily — I Masindahy Alexandre dia martiry tao Lyon tamin'ny taona 177. Avy any Phrygie, any Asie Mineure i Alexandre, izany hoe i Turquie amin'izao fotoana izao. Mpitsabo tao Lyon izy. Navaivay mihitsy tamin'izany fotoana izany ny fanenjehana kristianina ka isan'ny voahenjika sy voaheloka tamin'izany i Alexandre.

I Eusèbe avy ao Césarée no nahalalana ny tantarany, tao amin''ilay boky fahadimy mitondra ny lohateny hoe Histoire ecclésiastique, ka taratasin'ny Fiangonana tao Lyon ho an'ny Fiangonana tany Asie sy Phrygie no mitantara izay nisamborana sy namonoana azy ho martiry izany. Araka ny voalazan'ity tantara ity àry, dia nisy kristianina maro voasambotra. Mbola tsy niaraka tamin'izy ireo i Alexandre, nisy fety koa tao an-tanana tamin'izay ary maro ny olona tonga amin'izany fety izany, ka nentin'ny governora ireto kristianina voasambotra ireto hotsaraina ary naseho toy ny olona hiantsehatra an-dapihazo. Nanontaniana teo imasom-bahoaka izy ireo raha handà ny finoana. Tamin'izay fotoana izay, nitsangana teny amin'ny sisin'ny fitsarana i Alexandre, izy rahateo fantatr'olona, nanao fihetsika nakahery ireo voapanga izy. Kanjo, nisy nahatsikaritra izany fihetsiny izany ka nosamborina niaraka tamin'i Epipode izy.

Araka ny notantarain'i Eusèbe ihany, dia nisy tamin'ireo voaheloka no notapahin-doha, ary nisy ihany koa ireo nomena hohanin'ny biby masiaka. Namabara fa navelan'izy ireo teo nandritra ny henemana ny vatana mangatsiakan'ireto martiry ireto. Avy eo, nodoran'ireo tsy mataho-tody ho lasa lavenona, ary natsipin'izy ireo tao amin'ny reniranon'i Rhône.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...