09 aprily — Teraka tao Picardie tao France ny taona 1030 i Gautier. Mbola zaza izy dia efa nizotra tamin'ny lalam-pahamasinana sy ny lalam-pahalavorariana. Efa niezaka nanao ny fiain'ny mpitoka-monina izy tany amin'ny toerana nitaizana azy.

Ka rehefa hitany fa nahomby izany dia mbola tanora izy dia efa niditra tao amin'ny trano fitokana-monina tao Rebais, diosezin'i Meaux. Nataon'ireo namany fakan-tahaka izy tamin'ny hatsaram-panahy sy ny fitiavam-bavaka, ny fanetren-tena sy ny famolahan-tena ihany koa. Notendren'ny mpanjaka Philippe I àry izy hitantana ny trano fitokana-monina bénédictin vao naorina tao Pontoise. Na dia tsy nisehoseho loatra aza i Gautier dia fanta-bahoaka tamin'ny fahamasinany, ka maro ireo tonga namangy azy, na olon-tsotra, na olona manan-kaja ambony teo amin'ny fanjakana. Leo an'izany famangiana izany ka lasa nandositra tany amin'ny trano fitokana-monina tany Cluny. Niafina izy tany, nefa nisy nahalala ka dia naverina indray ho any Pontoise. Tonga tany anefa izy dia niverina nandositra indray ka niery tany amin'ny nosikely tao amin'ny reniranon'i Loire akaikin'i Tours. Nalaina hiverina indray i Gautier avy eo, hany heriny, nangataka tamin'ny papa Grégoire VII mba hanala azy amin'io andraikitra manahirana azy io. Nambaran'ny papa azy anefa fa tsy mety ny mandà ny talenta nomen'Andriamanitra. Resy lahatra izy ka niverina tao amin'ny toerana nanendrena azy tao Pontoise. Sarotra ihany ny asa satria nisy ireo nangatsia-po. Rehefa nahazo alalana tamin'ny papa àry i Gautier dia somary nohenjaniny ny fitondrana ireto mpitoka-monina ireo. Na dia teo aza ireo mpanohitra izay nangatsia-po dia maro ireo nankasitraka izany fanitsiana izany.

Nahafoy tena i Gautier tamin'ny fanoherana ny famarotana ireo zava-masina tamin'ny diôsezy. Nampijalian'ireo mpanohitra azy izy tao amin'ny fikambanana ka nampidirin'izy ireo an-tranomaizina. Vao nivoaka tao anefa izy, dia nanorina trano fitokana-monina ihany koa ho an'ny vehivavy. Ny 08 aprily 1099 no nodimandry tamim-pahamasinana tao Pontoise i Gautier, ary tao ihany izy no nalevina. Maro ny fahagagana tanteraka teo amin'ny fasany ka ny taona 1153 àry, dia nanapakevitra ireo eveka nanodidina an'i Pontoise fa hanandratra ho olomasina azy. Io no fandratana ho olomasina farany nataon'ny eveka teo anivon'ny Fiangonana Katôlika, fa tao aorian'izay dia ny papa ihany no manana ny teny farany amin'ny fanandratana ho olomasina. Marihana fa nato ho mpiaro ny voafonja i Gautier noho izy nadositra sy ny verina foana tany amin'ny trano fitokana-monina.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...