04 aprily — Arseveka tao Séville i Isidore tamin'ny taonjato fahafito. Rahalahiny sady mpandimby an'i Masindahy Léandre, eveka tao Séville ihany koa i Isidore, zanaka printsy izy ireo ary mbola mpiray tampo aminy ihany koa i Masindahy Fulgence sy i Masimbavy Hortense izay relijiozy nalaza tamin'ny hira masina.

Voalaza fa indray andro dia napetraky ny mpitaiza azy irery tao an-jaridaina i Isidore, toerana voahodidin'ny tranon-tantely, noho izany dia maro ireo tantely nipetraka teo amin'ny tavany tamin'izy napetraka irery teo fa tsy nisy na iray aza nanindrona azy. Mbola kely izy dia efa notaizain'i Léandre, eveka tao Séville. Tia azy tokoa ity zokiny ity ary nitondra azy toy ny zanany. Tena entitra sy nasiaka tamin'ny fitaizana azy. Kivy i Léandre fa ohatran'ny tsy nisy vokany mihitsy izay ezaka nataony teo amin'ny fianarana, sady te hiala amin'ny fifehezan'ilay zokiny ihany koa izy ka lasa izy nandositra nankany ambanivohitra. Fotoana kely taorian'izay dia vizana sy hanan'ny hetaheta izy ka nipetra teo ampototry ny lava-drano iray, ary nijery sady variana nahita ireo soritsoritra amin'ny vato manamorina ny lava-drano. Teo am-pandinihana ny mety mahatonga izany izy no nisy vehivavy iray avy naka rano nahatazana azy toa zaza bodo tsy mahalala izay ataony akory ka nanazava taminy fa io rano mitete tsy an-kijanona eo amin'ny toerana tsy miova io no nadavaka ny vato. Tonga saina izy, ary tsapany teo fa ny rano aza mahaloaka ny vato rehefa ela ny ela ka niaiky izy fa tsy maintsy hamaka ao aminy ihany koa ny fampianarana raha maharitra izy.

Niverina tany amin'ilay zokiny izy nanohy ny fianarana sy ny fanabeazana. Nandalina ny fiteny latina, grika sy hebrio ka lasa mpiara-miasa mavitrika niaraka tamin'i Masindahy Léandre tamin'ny asa fampibebahana ireo Ariens. Nahatezitra ireo mpivoy ny fampianaran-diso ny hafanam-po sy ny fikarohana nataon'i Isidore ka nahatonga azy ireo hikasa hamono azy, fa narovan'Andriamanitra tamin'izany fikasan-dratsy izany i Isidore. Mba handalinany misimisy kokoa ny fikarohana momba ny finoana dia niditra tao amin'ny trano fitokana-monina izy ary niezaka ny hanana ny hatsaram-panahy sy nanohy ny fandalinana.

Rehefa maty i Léandre dia i Isidore no voafidy hisolo toerana azy. Tamin'izany fotoana nametrahana azy teo amin'ny fiketrahana maha eveka azy izany dia faly ny vahoaka, fa izy kosa nitomany. Rehefa voarainy izany fanamiana maha eveka azy izany dia tsapany ary nasehony fa ho sorona mandrakizay ny fiainany manomboka eo : tsy mitsahatra ny mandany vola ho an'ireo andian'ondriny izy. Rehefa nanindrimandry azy ny fotoana iantsoan'ny Ray azy any amin'ny mandrakizay dia nankany am-piangonana izy, nitafy ny akanjo malailay ary nodimandry teo am-pihosorana lavenona ny 04 aprily 639. Nandritra ny 40 taona no nitoerany teo amin'izany fiketrahana izany ka nahafahany nanorina sekoly ho fandalinana ny Baiboly, nanavao ny fombam-pivavahana na ny litorjia, nisy fotoana ihany koa nitarihany ny kônsily, ary Mpampianatry ny Fiangonana ihany koa i Isidore.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...