31 marsa — Niaina tamin'ny taonjato fahadimy tao amin'ny tanana antsoina hoe Ctésiphon tao Irak i Masindahy Benjamin. Ny tempoly ho an'ny masoandro no tena niankohofan'ny ankamaroan'ny Perses tamin'izany.

Lasa adala ny eveka tao Ctésiphon ka noravany io tempoly io. Tezitra noho izany ny mpanjaka Yazdgard Voalohany ary namoaka didy hanenjehana ny kristianina ka anisan'izany Benjamin izay diakra tamin'izany fotoana izany satria nambara fa ny fampianarana nataony dia nampibebaka olona maro ho lasa kristianina. Nampijaliana i Benjamin, ary nohelohina ho faty satria niankohoka tamin'i Kristy fa tsy teo amin'ny masoandro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...