30 marsa — I Masindahy Amédée dia teraka tao Thonon ny taona 1435. I Ludovic, Duc tao Savoie no rainy zanak'ilay anti-pape Felix V. Efa hatrany am-pahaterahana i Amédée no nokasain'ny rainy ho vadin'i Yolande de Valois, izay anabavin'i Louis XII, mba hitazonany ny fifanarahana tamin'ny frantsay.

Ny taona 1452 no natao ny mariazin'izy ireo ka sambatra tokoa izy mivady ireo satria natambatry ny finoana matotra sy ny hatsaram-panahy. Malala-tanana izy ireo ary nanan-janaka fito. Ny taona 1464, no nadimby ny rainy, lasa taizan'aretina izy tamin'izany, voan'itony aretina mifanintotsintona itony. Nandala ny fandriam-pahalemana izy ka nandà ny ady nanoherana an'i Charles le Téméraire. Niombo ny aretiny, ny zanany anefa mbola kely ka ny vadiny no nasainy nitantana ny fanjakana ny taona 1469. Tsy faly noho izany ireo rahalahiny ary nikomy ka tsy maintsy nanelanelana ny mpanjaka tao France. Lasa nandeha nisintaka tany amin'ny Saint-Eusèbe de Vercili i Amédée ary tany izy no nodimandry ny 30 marsa 1472. Vetivety taorian'izay dia nangataka ny hanandratana azy ho olomasina ny vahoaka.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...