26 marsa — I Masimbavy Larissa dia niaina tany amin'ny taonjato fahefatra. Martiry tany Crimée, tao amin'ny Fiangonana grika izany izy io tamin'ny taona 375.

Tamin'izany, namoaka didy ny mpanjaka goth, Athanaric mba handorana velona azy ireo satria raha nankalaza ny Eokaristia tao anaty lay iray i Larissa sy ireo namany, dia tonga tao ity mpanjaka, nitondra sampy ary niteny tamin'ireo mpino kristianina izay niaraka tamin'i Larissa fa hoe tsy maintsy miankohoka sy mitsaoka ilay sampy. Nisy ireo nanaiky noho ny tahotra ka tsy nokitihana, fa i Larissa sy ireo namany 26 kosa tsy nanaiky ka nodoram-belona. Tao aoriana kely dia nisy vadin'ny mpanjaka goth iray hafa, nantsoina hoe Gaatha, nanangona ny sisan-taolan'ireo martiry ireo ka nitondra azy nanka ny Syrie. Novonoina ho martiry ihany koa io vehivavy io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...