26 marsa — I Masimbavy Larissa dia niaina tany amin'ny taonjato fahefatra. Martiry tany Crimée, tao amin'ny Fiangonana grika izany izy io tamin'ny taona 375.

Tamin'izany, namoaka didy ny mpanjaka goth, Athanaric mba handorana velona azy ireo satria raha nankalaza ny Eokaristia tao anaty lay iray i Larissa sy ireo namany, dia tonga tao ity mpanjaka, nitondra sampy ary niteny tamin'ireo mpino kristianina izay niaraka tamin'i Larissa fa hoe tsy maintsy miankohoka sy mitsaoka ilay sampy. Nisy ireo nanaiky noho ny tahotra ka tsy nokitihana, fa i Larissa sy ireo namany 26 kosa tsy nanaiky ka nodoram-belona. Tao aoriana kely dia nisy vadin'ny mpanjaka goth iray hafa, nantsoina hoe Gaatha, nanangona ny sisan-taolan'ireo martiry ireo ka nitondra azy nanka ny Syrie. Novonoina ho martiry ihany koa io vehivavy io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...